Edito

Edito Miandry fandaminana matotra


  • Alarobia 28 Aogositra 2019

Hatramin’izao dia tsy mbola miainga foana ny IEM raha ny hevitra sy mason’ireo mpanara-baovao sy ny mpandinika raharaham-pirenena no haravina.

 

 

Mbola samy miandry ny fandaminana tena matotra hanombohana azy ny rehetra na dia efa 7 volana aza no lasa. Tsara ampatsiahivina hatrany fa vina tokony ho notontosaina tao anatin’ny 58 taona no napetraka ho fanamby fa hihazakazahana ao anatin’ny 5 taona monja. Izay no veliranon’ny filoham-pirenen’i Madagasikara. Samy mahatsikaritra anefa ny maro ankehitriny fa mbola mijanona ho finiavana sy vina ihany iny nolazaina fa tetikasa goavana hanandratana ity nosy ity ao anaty fotoana fohy iny. Ny fizotry ny asa kosa dia andrasana ihany koa ny fanazavana matotra tsy miolakolaka avy amin’ireo tekinisianina nampisahanina izany. Mbola averina ihany ny fanontaniana hoe inona ilay tanterahana IEM sa Velirano ary aiza ho aiza ao anatin’izany ny toeran’ilay politika ankapoben’ny fanjakana ? Sa moa praograma koa izy io ? Raha ny fanazavan’ny manampahaizana moa dia tokony haherin’ny 20 taona no fanatontosana izany atao hoe vina izany. 10 ka hatramin’ny 20 taona izy raha drafitra. 5 ka hatramin’ny 10 taona kosa raha politika. 3 taona raha praograma ary 1 ka hatramin’ny 2 taona raha tetikasa. Ka inona ao anatin’izany rehetra izany ary no ketrehin’ny fitondrana hoe hampandrosoana ny vahoakany haingana ? Miandry fandaminana matotra avy aminy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT