Edito

Edito Miandry demokrasia marina !


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Tontosa iny ny fivoriamben’ireo mpanohitra ny fitondrana voalohany sy ny manodidina azy.

 

 Samy nilaza azy ho afa-po tamin’izany avokoa moa ny  ankamaroan’ireo namaly ny antso. Mbola andrasana fatratra kosa hatreto ny tena lalan-kizorana sy tanjona ao anatin’izay fanoherana izay fa ny vaovao nisongadina tao anatiny aloha izany dia ny fifaneken’ny maro izay nivory hitambatra ao anatin’ilay fanoherana. Etsy an-kilany, asa na hivory be tahaka an’iny koa na hanao ahoana ireo izay efa nilaza sy mieritreritra kosa ny hanohana ny fitondram-panjakana fa ny azo hamehezana azy aloha izany dia hanomboka eto ny baolina politika hifampitadiavan’ny mpitondra sy mpanohitra saingy fanontaniana mipetraka hatrany ny hoe ho tena izy ve sa ho sarintsariny indray ? Iza no hahatanty na tsia io demokrasia terena haniry eto amin’ny tanintsika io ? Ny vahoaka koa ao anatin’izany rehetra izany dia miandry ny demokrasia marina afaka hiara-dalana amin’ny fampandrosoana hanavao ny ativilaniny.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT