Misasaka sahady ity ny volana janoary. Be izay hita tao anatiny izay.
Teo ny tohin’ireo tolona sendikaly. Ny tolona politika maromaro namarana ny taon-dasa ihany koa mbola nahitana ambiny hatreto. Tsy dia misy fiovana loatra koa anefa ny fihetsiky ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana fa ny fomba efa nahabe tsikera azy hatramin’ny tetezamita sy tamin’ny herintaona ihany no tsy foiny. Raha niisa 13 no fanenjehana mpanao gazety nitranga tamin’ny herintaona dia efa nisy 1 sahady iny ho an’ity taona 2020 ity. Anisan’ny fanoitry ny fampandrosoana ny fampianarana sy fanabeazana ary antoky ny ho avin’ny taranaka faramandimby kanefa dia zary lasa tsivanombanona hatrany. Tsy misy izay tsy mahatsapa sy milaza ireo mpampianatra sy mpanabe ary mpikaroka fa “an-kilabao” sy “an-jorom-bala” izany. Miara-miantso ny filoham-pirenena izy ireo ankehitriny ny amin’ny hamahan’ity farany ny olana. Heverina fa matoa ny rafitra faratampony eo amin’ny fitondrana ny tany sy ny firenena toy izany no efa antsoina dia efa iviny sisa ny fanantenana ny aminy hisian’ny vahaolana. Ireo rafitra natao hanatanteraka tokoa no “tsy misy atidoha” araka ilay mampiaiky ny filoha sa niniana nokorontanina mihitsy ity sehatra iray ity mba hanoizana ny fanabadoana efa napetraky ny mpanjanaka ? Hita ho efa maty paika avokoa ny fizotry ny toe-draharaha saingy tsy mitondra afa-tsy savorovoro hatreto. Fa maninona tokoa moa no tsy mba mandeha tsikelikely ireo karazam-pitakiana misy eto fa dia miaraka hatrany na tolona politika io na sendikaly ? Ary maninona no tsy nisy nety tody hatramin’ny farany izy ireny fa rehefa tonga amin’ny tanjon’ny mpitarika azy fotsiny dia efa matetika mijanona ? Ny azo antoka dia raha mbola toy izany foana no zava-misy eto dia fihemorana hatrany no hanjo ity firenena ity fa tsy mba fiharenana akory farafaharatsiny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.