Edito

Edito Marary ny firenena


  • Talata 26 Febroary 2019

Sosialy, toekarena, kolontsaina, fanatanjahantena, indrindra moa fa ny politika dia sarotra ny hilaza ireo rehetra ireo fa efa tomombana tanteraka ny momba azy avy.

 

 Samy mbola ahitana lesoka daholo ary tsy vitsy fa tsy tambo isaina. Ireo sehatra rehetra ireo anefa dia mifampiankina avokoa raha tiana tsy handringa ny fampandrosoam-pirenena. Miandry ny fanantanterahana ny fampanantenana nomen’ny filoham-pirenena vaovao ny malagasy rehetra. Na ireo nifidy azy io na tsia satria samy vahoaka Malagasy leo ny fahantrana niainany tao anatin’ny 58 taona izay nolazain’ilay filoham-pirenena vaovao fa hareniny ao anatin’ny 5 taona monja. Dia ho hita eo tokoa moa izany ! Ny azo antoka aloha dia tsy hisy anefa ny fahagagana ary na sasany tamin’ireo fampanantenana natao aza dia efa nisy voadika sahady. Aiza izao izay tsy mila mpamatsy vola mahazatra teo ? Roviana no tena ho hita taratra ilay hoe filohan’ny Malagasy rehetra sy ny hoe hanambatra ny Malagasy rehetra ? Ny zava-misy hatreto aloha dia hita ho manomboka ny asa tapimaso isan-karazany toy ny tamin’ny tetezamita entina hanehoana fa fitondrana mitsinjo vahoaka ny fitondrana nanao ny vina IEM. Teo ny fanolorana fanampiana ireo traboina tamin’ny rivodoza, ny fanomezana trano vy ireo sahiran’ny La Réunion kely, ny fandraisana ireo karazan’olona heverina ho apinga fototra nampandany tamin’ny fifidianana sy ny hafa tsy voatanisa. Etsy an-kilany kosa anefa dia hita ho mbola mitohy ny kolontsain’ny valifaty politika. Asa rahoviana ihany no mba hisy vina hanatsaharana azy io. Na dia miha maro aza ny “fanorenan-trano”, ny sosialim-bahoaka mbola tsy zarizary hatrany. Ny sazy voajanahary anefa mbola tsy mahatonga saina ihany. Tonga koa izao ion y valala rehefa niato ny rodam-bato sy ny tondra-drano. Averina indray fa tsy ny fanafoanana ny tsy maty manota akory no ratsy fa ao anatin’ny atao hoe fitantanana kosa dia mila apetraka foana ny antsoina hoe laharam-pahamehana. Heverina angamba fa tsy filohana firenena no tokony hampianarina an’izany ka dia atsipy ny teny satria ny firenena efa marary.

J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT