Edito

Edito Manonofy sy ampanofisina


  • Alarobia 05 Febroary 2020

« Rahoviana ihany izay vao valala be mifoha ? », hoy ny fanontaniana iray nipetraka efa tany amin’ny taona 90 izay.

 

Hatramin’izao isika malagasy dia hita ho mbola manonofy sy hampanofisina hatrany. Mbola matory no dikan’izany. 60 taona amin’ity taona ity izao no nambara fa mahaleotena i Madagasikara. Maro anefa angamba ireo miara-manaiky fa tsy mbola hita taratra eny amin’ny andavanandron’ny ankamaroan’ny olom-pirenena izany. Tsy vitan’ny miha takona ilay fahaleovantena fa ny loza dia miseho amin’ny endriny maro mihitsy ireo karazana fiankinan-doha tazana eny amin’ny olom-pirenena tsirairay. Ny fiankinan-dohan’ny mpitondra izay misolotena antsika vahoaka amin’ny mpamatsy vola iraisampirenena sy ireo rafitra iraisampirenena misy antsika efa ela no teo. Fa ny fiankinantsika vahoaka amin’ny fanomezana sy tolotra isan-karazany koa zary lasa loza mitatao ho an’ny hoavin’ny firenena mihitsy. Efa nisy tamin’ireo fitondrana teo aloha rehetra ny fanampiana traboina rehefa misy voina nandalo teto amin’ny firenena. Tao foana ny nanome filàna andavanandro toy ny koveta, sio, vary, savony, vola, masomboly sy ny sisa. Ny zavatra tsikaritra anefa dia 1 volana dia lasa fanaon-dRamalagasy koa ity mangataka lava amin’ny fitondram-panjakana ity. Hotsiniavina ve anefa ny valalabemandry izay nametrahan’ny mpitondra nifanesy ka hatramin’ny mpitondra ankehitriny izay kolontsainan’ny fangatahana izay ? Manoloana izany, io najoro io ny tetikasan’ny fitondrana izay mifantoka amin’ny tranobe mijoalajoala, tanàna mamirapiratra, tramway, metro, sy izay mahafinaritra ny maso rehetra mampiseho fa mitovy amin’ireny tany mandroso be ireny ny “fijery” antsika afaka 5 taona. Mikatso moa izy io kanefa mikatso manaraka an’izay koa ny sosialim-bahoaka izay tsy hita taratra loatra rahateo ao anatin’ilay tetikasa. Tsy mbola mandry fahalemana ny fiarahamonina, midina ny salan-taonan’ny zazavavy miditra amin’ny firaisana aloha loatra ary mitombo ny isany, ny toeram-pisotroana moa dia mafotaka hatrany ny fety. Mitohy ary hitohy izany ny nofy koa !

J. Mirija

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT