Edito

Edito Manimba saina


  • Talata 11 Septambra 2018

Vaovao anisan’ny nanamarika ny herinandro ny tranga tetsy Mahamasina hatreto.

 

 

Teo ihany ny vokatra azon’ny ekipam-pirenentsika eo amin’ny taranja baolina kitra izay tsy ratsy saingy ratsy dia ratsy kosa ny tranga niseho teny an-toerana ny alahady teo. Maro ireo malagasy naratra ary nisy namoy aina mihitsy aza. Fanim-piriny tamin’ny hetsika ara-panatanjahantena sy hetsika natao tao amin’io kianja io moa iny notanterahina ny alahady teo iny ? Dia tsy nisy lesona azo notsoahina tamin’ny tandrametaka tany aloha mihitsy ve no dia mbola misy toy ireny foana hatramin’izao ? Manimba ny sain’ny mpanara-baovao ilay izy ary tsy vitsy ireo latsa-bava fa misy kandida mila sorona amin’ny fifidianana indray angamba any. Tsy in-dray mandeha tsy in-droa no efa nisy ra mandriaka niraraka tetsy Mahamasina fa efa maromaro ary zary mitady ho lasa isan-taona mihitsy. Ndrao lahy iniana atao mihitsy ilay fampitavozavozana, sanatria ! Ny mahagaga dia saika efa nitrangan’ny toe-java-mampihorikoditra tahaka iny ireo hetsika natao tao. Ny mahalasa saina, angaha moa tsy misy hampisahanina azy ny fitantanana ny kianja toy itony ? Tsy mbola fantatra ihany ve hatramin’izao ny fetr’isan’ny toerana ao anatiny ao ary tsy mbola hay tsianjery foana ny fomba fiasa hitantanana ireo mpijery ? Nankaiza ireo fiara fitaterana traboina no dia nasisika tanatina fiara tery dia tery ireo naratra ? “Soa lavo hahay hamindra, soa kenda hahay hitsako”, hoy ny Nataolo. Ny hirariana dia ho lasa amin’iny ny ratsy rehetra ary hitohy hatrany amin’ny fotoam-pifidianana rehetra ny tsara.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT