Edito

Edito Mandrosoa hasina !!


  • Talata 18 Desambra 2018

Tonga ity ny fotoana hahafahantsika manova ny tantaram-pirenena indray. Ny hirariana dia mba ho tena ho tantara vaovao tokoa amin’izay manomboka amin’io rahampitso io no hosoratantsika ho antsika, indrindra ho an’ny taranaka faramandimby.

 

 

 Fa ho foana amin’izay anie ny fitenenana izay efa mitady ho fahazaran’ireo mpamakafaka politika hatrizay hoe miverimberina na koa hoe miverina indray ny tantara. Enga anie mba tsy hitombina ilay ahiahina mpahay fiarahamonina iray izay hoe handova dezaka eto isika raha izao no mitohy. Ny fanantenana dia ny mba hahazoantsika filoha hendry sy mendrika ary hitondra fampandrosoana marina ho an’ity Madagasikara ity. Mba tena hiverina hampihatra ny soatoavina naha izy azy fahizay tokoa ny Malagasy dia ny fihavanana izany. Dradraina ankehitriny io ary samy nampanantena ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 2 farany navelantsika hifampitana fa ho filoham-pirenena hampiombona ny Malagasy rehetra sy hanome fahalalahana ny fanehoan-kevitra ary hitsinjo ny vahoakany. Mbola tsiahivina etoana ny fehezantenin’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, izay hamoaka ny didy farany mikasika ny valin’izao fifidianana izao, hoe ity taona 2018 ity no taona mety indrindra hialana amin’ny ziogan’ny fanjanahantany. Ho tanteraka tokoa anie izany ! Mba ho toy ny nofy sisa ny zava-misy momba ny fiandrianam-pirenena Malagasy izay hiainantsika ankehitriny. Raha malaza ho anisan’ireo firenena 7 be harena indrindra isika saingy laharana faha-4 amin’ny mahantra manerantany kosa ankehitriny dia mba ho firenena faha-4 amin’ny manankarena indrindra eto ambonin’ny tany indray farafaharatsiny no ho tanjona miaraka amin’izay filoham-pirenena tafakatra eo.  Iza moa no tsy tolagaga nahita ny fandrosoan’i Dobay izay mbola nahantra noho isika tamin’ny taona 2002 ? Manankasitsara sy masinkarena, hono, Madagasikara ary manankasina ny mponina ao aminy, hoy ny lovantsofina. Ny hirariana, araka izany, dia ny hoe mandrosoa hasina isika rehetra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT