Edito

Edito Mandiso anjara!


  • Zoma 26 Novambra 2021

Isaorana ny mpahary aloha ary isaorana ihany ireo mpanapa-kevitra ihany koa fa mba efa manomboka milatsaka ny orana.

 Andrasana eto ny hitranga mandra-paha tapitry ny taona na mba hanamando sy hahalonaka ireo tany tokony hamokatra eto amin’ity Madagasikara ity ihany izany na sanatria tsy haha henika intsony. Efa ela no niandrasana ity fanapahan-kevitra momba ny orana voatr’olombelona ity, indrindra, manoloana ireo hetraketraka mahazo ny ala manerana ny nosy amin’izao fotoana izao. Izao moa izany vao tapa-kevitra ny “mpanapa-kevitra”. Averina hatrany ny hoe enga anie mba tsy ho tara loatra toy ilay fotoana tokony nanidiana ny sisintany tamin’izany andro izany izy ity. Maro izay fahadisoam-panantenana niainan’ny vahoaka tao anatin’ireo repoblika nifandimby izay. Porofo mitohoka amin’ny tenda manamarika izany izao fahantrana lalina iainan’ny firenena izao. Ilay mandiso fanantenana anefa mbola heverina azo ovana ihany na koa hitandremana amin’ny manaraka saingy ny fanapahan-kevitra sy ny vokatra aterak’izany ankehitriny kosa dia iarahan’ny rehetra mahatsapa fa tena mandiso anjara mihitsy na miteraka ilay antsoin’ny frantsay hoe “frustration”. Na ny voafaritra ho anjaranao izao aza dia io mampitokona etsy sy eroa io fa lasa tsy azo intsony koa. Ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolom-panjakana izany moa dia toa izy ireo indray no lasa mandefitra hoe aza omena anay ary ilay ora fanampiny fa tsy naninona fa ionona amin’ny ora voafaritra tsy maintsy iasanay izahay? Milefitra amin’ny anjara tokony ho azy izy noho ny inona? Noho ny fihambon’ny fitondrana ho manam-bola kanefa raha ny hetsika miharihary rehetra hita fa ataony dia tena mampiseho ny mifanohitra amin’izany. Maty ny orinasam-pitanterana ana habakabaka reharehan’ny firenena hatramin’izay. Tsy avotr’ilay vola nolazaina fa misy. Tsy voaloha ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Firifiry moa izao ireo mba nanana tetikasa no zary rava vokatry ny krizy nitohivakana nanomboka ny 2009 no nankaty? Firifiry ireo very asa sy tsy mety mahita izany? Mandiso anjara!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT