Mandeha ny mandeha, hoy ny ankizy. Andeha atao hoe tsy hay indray aloha izay tao ambadik’iny fandaniana lalàna manome fahefana ny filoham-pirenena ankehitriny omaly iny fa ny azo ambara dia efa naman’ny nampoizina ihany ny zava-nitranga.
Tsy mbola miova ny kolontsaina fifandimbiasam-pahefana eto amintsika fa tonga amin’ilay hiaka hoe “Azonay tsy avelanay !” hatrany ny zava-miseho. Izay izany no zava-misy ka dia harahina indray aloha ny tohiny. Hitondra soa ve sa hahavoa mandra-pahatonga ny 27 mey aloha ? Ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha, araka ilay fanentanana hoe avelao hiasa aloha, tokoa ve izany no azo atao hatreto ? Ity fomba iray ity anefa rehefa dinihina ny zava-misy hatramin’izay dia toy ny mampirisika izay eo amin’ny fahefana hanao ny efa hita fa tsy mety. Amin’ny fotoana inona tokoa ary no tokony hitsikeran’ireo milaza azy ho mpanohitra ? Misy moa ankehitriny ilay kolontsaina politika voizina mikasika ny tokony hitondrana ny hetsi-panoherana maoderina, hono, dia ilay antsoina hoe “100 jours de grace” na 100 andro handeferana raha adika tsotsotra. Dila iny ny volana janoary, izany hoe, vao 12 andro monja no lasa raha ny andron’ny 19 janoary izay fotoana nandraisan’ny filoham-pirenena vaovao fahefana no hiaingana. Mbola rahoviana vao hifarana anefa ny 88 andro ambiny ? Dia hitazam-potsiny ny zava-mitranga foana ve mandra-pahatonga izay fotoana izay na dia sanatriavina fa mihoatra ny loha aza ny zava-mitranga tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna ? Asa aloha fa dia maha lasa eritreritra ihany ny fanamarihan’ny mpanao politika iray izay hoe manana safidy, eny fa na dia ny hery politika tokony ho mpanohitra lojika aza, raha hijanona amin’izao izy na tena ho mpanohitra tokoa. Hatramin’ny farany rahateo dia tsy nety tafapetraka teo anivon’ny parlemanta nandritry ny fitondrana Rajaonarimampianina ilay antsoina hoe lehiben’ny mpanohitra. Dia asa lahy izay ho endrika tsy fanarahan-dalàna mandritra izao fitondrana vaovao izao. Izay izany ilay hoe mandeha ny mandeha !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.