Na dia mbola ato anatin’ny fampielezan-kevitra ary mamaramparana aza isika ankehitriny dia lohahevitra sy ventin-kevitra iray ezahan’ireo tonga saina hafantoka any an-tsain’ny rehetra ihany koa ny fihavanana sy fampihavanana.
Ekena fa fifidianana no hatrehana afaka 4 andro. Ny rehetra anefa no miaiky fa tokony ho laharam-pahamehan’izay filoham-pirenena vaovao hiakatra eo rehefa tsy vita nialoha izao fifidianana izao ihany ireo. Ireo antsoin’ny tanora hoe “misekta” ihany no tsy miombon-kevitra. Antony nahatonga ilay kandida iray hametraka ny tenany ho mpanangana fa tsy mpandrava io fikasana iray io. Efa samy nanana ny nambarany tamin’ny fampielezan-kevitra, fa raha ny asa efa natao aloha no hifampitsarana dia mazava ho azy ny vokatra satria dia mitombina tanteraka ny hoe: “Ny iray mpangana, fa ny iray kosa mpandrava sy mpamotika”. Tsiahivina hatrany ny tenin’ilay mpanangana manao hoe mila filoham-pirenena hampiombona azy indray ny Malagasy. Etsy an-kilan’izay anefa ny mpifanandrina aminy dia tsy sasatry ny manaratsy azy. Ary na ireo ekipany aza dia mbola manohy ilay fivoizana fifankahalana amin’ny resaka tafovoany sy tanindrana na koa hoe kandida mpanavakavaka ity lazaina fa mpanangana fa tsy mpandrava ity. Rehefa hita fa tsy mbola mahomby hatramin’izao io fambolena adim-pirazanana sy foko io dia hita hatramin’ny hoe efa nigadra ity kandida mpanangana fa tsy mpandrava ity tamin’ny taona 1988. Raha izany no marina, maninona ary no navela nilatsaka ben’ny tanàna izy, 10 taona taorian’izay ? Maninona koa no navela hilatsaka ho filoham-pirenena tamin’ny taona 2001 ? Dia misy mahavatra mandany vola sy andro mihitsy mampiseho ny sariny miaraka amin’ny filoham-pirenena teo aloha hoe io sahady no ho praiminisitrany. Toy ireny mijery fifaninanana haiady tsy misy lalao madio ireny isika. Ho diso kajy sy ho lany andro eo anefa ny mpifaninana amin’ny mpanangana fa tsy mpandrava izay toa manao adin’ny resy sahady satria efa zatra ady sy mahay miala ireny karazan-tsompatra afafy aminy ireny ny mpanangana fa tsy mpandrava. Ary raha sanatria handresy aza ve dia hahafaly ny nahazo izany tamin’ny fomba tsy madio ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.