Edito

Edito Maizina ny lalana


  • Zoma 11 Oktobra 2019

Hiafara aiza ny raharaha Ambohitrimanjaka sy ny manodidina ? Mampametra-panontaniana toy izany koa ny raharaha Base Toliara.

 

 Asa koa atsy ho atsy hoe hanao ahoana ny Miami sy ny Paris fa raha ny zava-misy mikasika ny fanitarana an’Antananarivo fotsiny aloha izany no asian-teny dia tanteraka ara-bakiteny ilay hoe esorina amin’ny taniny ny Malagasy. Efa ahiahy nipetraka sy nitabatabana hery politika maro hatramin’ny ela io hoe ho tompony mangataka atiny io isika raha mitohy foana ny toy izao, tamin’izany fotoana izany. Hita ho miha miseho ankehitriny ny efa nampoizina. Maro, raha ny fampitam-baovao samihafa, ny Malagasy latsa-dranomaso fa esorina amin’ny taniny. Mbola mametra-panontaniana isan’andro any an’eritreriny any hoe ho azo tokoa ve ny fanorenana ireo fananany terena ho afoiny ? Raha azony ihany koa anefa dia ho entiny sy hitondra azy ireo ho aiza ? Vao tsy ela akory izay no nisy fianakaviana maromaro niverina namonjy an’Ambaninampamarinana satria tsy mahita aleha. Ilay fitondram-panjakana nantenain-kanirina toa tsy hita hianteherana. Maizina tanteraka ny lalana. Na ny drafitra marina tena tokony hitondran’izao fitondrana izao ny fampandrosoam-pirenena aza toa tsy marim-pototra fa miovaova eny antenantenany eny ka tsy mahagaga raha tsy mety tafainga mandrak’ankehitriny. Ny 1000ha mivadika ho 300 mahery kely tampoka. Ny eo tsy vita ny eo misosoka ihany. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe fa aiza marina no tena tiana aleha sa ve alefa ihany ny fampirisihana hoe herezo ny dia na dia maizina aza ny lalana !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT