Edito

Edito Maizina


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Niaraha-nahita sy naheno iny ny zava-nitranga nandritry ny fotoam-pandraisam-pitenenan’ny filoham-pirenena teny Ivato omaly.

niaraha-naheno ihany koa ny teny naloaky ny vavany nanoloana ny zava-niseho. Samy nandrakitra ilay fehezantena nanan-danja ny mpanara-baovao. Hafahafa, na ilay adika amin’ny teny frantsay hoe “anormal”, hoy izy, ny miasa anaty aizina na miresaka anaty aizina. Izany hoe raha fehezina dia tsapany ihany fa hafahafa mihitsy io miaina anaty aizina io mba tsy ilazana hoe tsy hahafaha-mamokatra ao anaty aizina. Ny ankamaroan’ny malagasy eto amin’ity firenena ity anefa dia izay no mbola fiainany isan’andro. Maizina ara-bakiteny ny takariva aloha manoloana ny olana eo amin’ny resaka herinaratra. Misy faritra maro aza moa tena mbola tsy tongan’izany antsoina hoe herinaratra izany mihitsy ary misy olompirenena mbola tsy nahita izany hazavana avy amin’ny herinaratra izany hatramin’izay niainany. Maizina manaraka izany koa hatramin’izao ny andavanandrom-piainan’ny olompirenena maro. Maizina ny hoavy satria manjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy mety voafehy ny vidim-piainana, mihena hatramin’ny fahafaha-mihary. Maizina ny lala-komban’ny firenena ho any amin’ny fampandrosoana ary hatramin’izay nisian’izao fitondrana izao dia io iaraha-mahita io koa ny fiakaran’ny taham-pahantrana miha lalina hatrany eto amin’ity firenena ity. Fitondrana efa tsy manam-bahaolana intsony, hoy ireo mpanao politika sasany izay. Miandry ny mazava?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT