“Maika ho aiza isika ?”, hoy ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety nisy ilay raharaha angidimby nampanantsoina mpanao gazety andro alahady indray maka iry.
Hatramin’izao dia hita ho mbola mitombina ary tsy mety voavaly io fanontaniana io manoloana ny fihazakazaky ny raharaham-pirenena. Nodinihina kimaimaika teny amin’ny antenimieram-pirenena ny lalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ho amin’ny taona ho avy dia avy eo noterena an-kolaka hanao toy izany koa ny teny amin’ny lapa maitso ary mampametra-panontaniana mihitsy hoe fa inona no antony no dia tonga hatramin’ny fihetsika manositosika raiamandreny mihitsy avy eo nony naverina teny Tsimbazaza indray ny fandinihan-draharaha. Izao izany no tonga amin’ilay fiantso hoe maika tsy faingana na koa hoe mba mihazakazaka fatratra ihany fa na ny lalan-kizorana aza tsy fantatra akory hoe mby ho aiza ? Ny raharaham-pirenena no mandeha. Ekena fa ny raharaham-pampandrosoana kosa dia tontosa aloha izay ny 11 volana latsaka nolazain’ny filoham-pirenena fa tokony hahavitan-javatra tsy vita tao anatin’ny 10 taona eo ho eo kanefa dia miara-mahita ny rehetra hatreto fa mbola firenena miady ho gisitra ary ao anatin’ny 4 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany i Madagasikara. Maika tsy faingana ho aiza fotsiny izany izao fitondrana izao sa mbola hamerina ny fiainana amboletra tamin’ny fotoam-panonganam-panjakana hatrany ka na tetikasa efa hamono vahoaka aza dia mbola hatao letrezana foana ? Iza moa no tsy manaiky fa tsara ny Tanamasoandro saingy tsy efa nazavaina ve fa misy vakoka maro sy vahoaka ahiana ho potika sy tsy hanan-kialofana eny Ambohitrimanjaka eny raha mbola hodongiana hanaovana an’izany ? Madagasikara midadasika feno tany mbola malalaka be fotsiny ity ve dia tsy hahafahana manorina tanàna vaovao raha tsy ao anatina tanana mbola velona ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.