Edito

Edito Mahagaga sy maha lasa… saina


  • Talata 21 Aogositra 2018

Andrasana anio ny isan’ireo « te » ho filoham-pirenena nanatitra ny dosie ahafahany mirotsaka ho kandida.

 

 

Tsy maintsy hisy ny sivana mbola hataon’ny avy eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay afaka hifaninana amin’ny 7 novambra ho avy izao. Ny mahagaga sy maha lasa… saina dia hifandrombahan’ny mpanao politika ny mirotsaka tato anatin’ny 5 taona izao ity fifaninanana hahazo an’Iavoloha ity. Fony tsy nisy antso natao ho amin’izany anefa dia hita ho mitetika pirina sy mamaofy akotry avokoa nanampy ny mpiara-belona sy ny fiarahamonina misy azy. Raha atambatra ireo 50 tapitrisa ariary isak’ireo kandida ka nananganana zavatra hafa dia efa azo antoka fa mba farafaha ratsiny nametraka ity nosy ity tamina toerana avoavo kokoa noho izao na dia tsy ho  sangany aty afrika aza. Mahavita manipy vola eny an-davarangana sy eny am-baravarankely ny ankamaroan’ny mpanao politika malagasy kanefa ny famaritana ny atao hoe politika aza tsy hain’ny ankamaroan’izy ireo akory. Nanao fanambarana hilatsaka ho filoham-pirenena izao ny sasany dia mbola sahy milaza ihany fa tsy mpanao politika. Iny indray kosa aloha dia azo lazaina ho tsy mahagaga raha mahatonga tsy fahatsapan’izy ireo ho tompon’andraikitra amin’ny vahoaka sy ny mpiara-belona aminy toy izay hita miharihary ankehitriny. Azo antoka anefa izao fa tsy hisy hilaza na ny iray aza ireo nametraka dosie ireo hoe mpikarama an’ady na dia fihetsik’olona toy izany aza no hasehony miharihary ankehitriny. Mahagaga sy maha lasa saina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT