Edito Maha lasam-borona


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Maha lasam-borona ilay raharaham-pirenena eto Madagasikara.

Indraindray ianao lasa heritreritra mihitsy hoe tena zava-misy eto an-tanàna ve itony sa sangisangy zaritenany. Ny trafika avo lenta toy ny resaka volamena sy andramena moa azo lazaina toa efa zary mitady ho tranga mahazatra nanomboka ny taona 2009! Etsy ankilany anefa dia feno tranga toa kisampontsampona ve no filaza sa manondratrondrana fa dia mifangaro voraka ao anaty raharaham-pirenena ao daholo ny resaka “futur député” sy ny fandrefesana kapoaka. Ity resaka farany ity dia efa zary ataon’ny mpanara-baovao fihomehezana sisa. Ireny naranty tamin’ny faran’ny herinandro ireny, hono, izany tsinona ireo kapoaka tsy manara-penitra sy fandanjana tsy manara-penitra tra-tehaka. Ny vidim-bary no miakatra dia ny kapoaka no refesina, hoy ireo mpanara-baovao. Lasa saina, lasam-borona hoe ahoana ary ity firenena ity. Firenena hafa mihitsy ve sa tena tsy mahita izay azo atao intsony na dia hampandehanana fotsiny ny raharaha ao anatiny ao aza? Fanindroany izao no nisy antoko politika sy mpanao politika nandalo vanim-potoana maro teto amin’ny firenena naneho ny hatairany sy fahagagany ny amin’ny fisian’izany fikasana hametraka sekreteram-panjakana anaty fiadidiana ny repoblika izany. Rafitra izay tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany na taiza na taiza firenena angamba anefa izany. Misy sahy mitonona sahady fa ho depiote atsy ho atsy ary mampanantena paraky ho an’izay te hihinam-paraky. Ianao no lasam-borona hoe inona daholo ary izany rehetra izany? Nahoana ary izahay ry Andriamanitra no dia navelanao hitoetra anatina firenena feno tranga kisampontsampona toy izany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT