Edito

Edito Lavitra akaiky ihany !


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Nanomboka omaly indray ny fandraisana ireo dosie ahafahana mirotsaka hofidiana ho ben’ny tanàna isak’ireo kaominina misy eto Madagasikara.

 

Samy mbola manazava sy manamafy ny fepetra sy dingana tokony harahana hahatomombana izany ireo heverina ho tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana. Etsy an-kilany dia mbola mitohy koa ny antsoantso, indrindra, avy amin’ireo mitonona ho mpanohitra ny fitondrana mba hanemorana ity fifidianana ity aorian’ny fanitsiana ireo pitsopitsony rehetra ahiana hiteraka hoso-pifidianana indray. Eo ny lisitry ny mpifidy sy ny fandrindrana hafa rehetra izay samy hita ho tsy tomombana avokoa, hoy ireo mpanara-maso, tao anatin’ireny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ireny. Rehefa dinihina izany dia lavitra akaiky ihany fa tsy dia tena araka ilay fitanisana hoe fifidianana akaiky vahoaka loatra indray ihany koa ity fifidianana ben’ny tanàna ho avy ity noho ny fanjavozavon’ireo fepetra tena mety tokony horaisina momba ny fanatsarana azy ity izay. Ho azo antoka indray ve fa hangarahara ny fifidianana ? Azo hitokisana ve ny mpikarakara ? Fifidianana tena hitondra filaminana sy fandrosoana ve no hitranga ? Enga anie mba hiova hahavelom-bolo amin’izay ny valin’ireo fanontaniana rehetra ireo amin’ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT