Edito

Edito Lasa izao !


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Tonga indray ity ny volana desambra. Efa nanommboka nikija ny orana omaly. T

 

 

 

apitra koa ny herinandro dia lasa indray izao ! Sady hiatrika herinandro vaovao no hanomboka hiatrika ny tohiny sy fiafaran’ny tantaran’ity fifidianana ho filohan’ny repoblika 2018 ity isika. Mitombo ny kihon-dalana sy taham-pahafaha-mandrebireby ny valalabemandry hanodinana ny tena safidiny raha tsy mitandrina isika mianakavy. Eto, raha tsy misy fahagagana, hiaraha-mahita  ny vokatr’ilay hoe fifidianana hatrehina anaty rotsak’orana.  Ny volana desambra koa anefa dia hahavariana ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona. Tongotra mby an-dakana anefa izy ity ka sarotra ny hidify aminy. Misy ireo mikiry mbola miantso ny andao hanatontosa ilay fanorenana ifotony. Ny firosoana amin’izany anefa, sarotra ny hino fa ho vita vetivety raha mijery ny fihetsika politikan’ireo mpanao politika eto amintsika izay fatra-pitady seza ny ankamaroany aloha raha ny hita hatramin’izay. Marina fa ilaina io saingy tonga amin’ilay fitenenana hoe mahafaty renibe. Mety hahafaty raibe ihany koa ny fihemorana aminy na dia ao anatin’izao hodidim-piainana lalovan’ny firenena izao aza. Ny mpahay lalàna aza efa miaiky fa firosoana amina krizy vaovao ny fidirana amin’izany ao anatin’izao lalàmpanorenana sadasada izao. Inona ihany ary izany no atao satria satria hijanona sy hanohy iny fifidianana efa natomboka iny ihany koa ho tonga amin’ilay fanoharana hoe hahafaty rafozana satria filoham-pirenena voafidy tanaty rafitra sy fikarakarana fifidianana tsy maharesy lahatra ny rehetra no mety ho tafajoro. Ny azo antoka amin’ity safidy farany ity anefa dia ny hoe azo terena amin’izay izay filoha ho lany eo hanao laharam-pahamehana ny fanorenana ifotony tena takian’ny rehetra. Vazivazy zary tenany ny hoe “Mandroso maty renibe, hihemotra maty raibe, hijanona maty rafozana.” Tsy maintsy misafidy anefa ka aleo manao hoe “lasa izao” amin’ity indray mitoraka ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT