Edito

Edito Lasa anjoria !


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Efa iaraha-mahalala sy iaraha-mahita ankehitriny fa na ny miresaka ny IEM izany aza dia efa tsy fandre loatra ao anatin’ireo kabarin’ny mpitondra malagasy ankehitriny intsony.

 

 

Tonga indray ity ny tontolom-pifidianana ka dia hita mijanona matetika eto an-tanindrazana ny filoham-pirenena ary hita ho mazotozoto mitety faritany. Rehefa tsy ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana anefa dia mahagaga fa izao tontolo izao no teteziny sy maha maika azy hozahana. Hita ho zary lasa anjoria na ilay antsoin’ny mpanjanaka hoe “aventure” ho an’ny mpitondra antsika toy ny tamin’ny tetezamita ihany ny fipetrahana eo amin’ny toeran’ny mpitantana fanjakana. Toa andrakandramana daholo izay tsy hita rehetra fony tsy teo fa ny fiainam-bahoaka tsy hita izay tokotaniny. Tonga teo ny fiadiana ny amboaran’i Afrika teo amin’ny taranja baolina kitra dia saika tonga tany Ejipta daholo ny ankamaroan’ireo olom-panjakana. Talohan’izay moa nisy ilay dia tany Maorisy dia hatramina mpandraharaha namana akaiky ny mpitondra aza hita tany. Voatsikera ho mpitsangantsangana lava ny fitondrana teo aloha fa ny ankehitriny anefa hita ho tsy ambakan’izany ihany koa. Fitetezana an’izao tontolo izao sy fampahafantarana ireo kandida tohanan’ny mpitondra isaky ny vanim-potoam-pifidianana izany hatreto no tena misongadina amin’ny fomba fiasan’ny fitondrana natao hanatanteraka ny vina IEM na ilay fanatanterahana ny finiavana hanandratra an’I Madagasikara ao anatin’ny 5 taona monja. 9 volana izao no lasa saingy tsy mety voaporofo fa afaka ny hiainga ilay fiaran-dalamby fa maika aza voakatson’anjoria.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT