Edito

Lalan-tsarotra!


  • Alarobia 01 Aprily 2026

Iny lalana iny, lalan-tsarotra!»,

hoy ny hira fanevan-drizareo mpitolona tamin’ny taona 2009 izay. «Malama anie ny lalana ho diavina ka sao ianao ho potraka!?», hoy ny tarika Mahaleo. «Sarotra ny lalana, malama sombiniaina, tandremo sao midoboka!», hoy koa ny fampitandreman’ny tarika Filah anaty tononkirany fahizany. Nitety vanim-potoana tokoa ny krizy sy fipoahana krizy teto amin’ity firenena ity hatramin’ny taona 1947 ary hatramin’izao dia mbola tsy namaha olana aloha ireo herisetra sy rà latsaka, eny, aina nafoy tao anatin’izany rehetra izany. Mbola mandia lalan-tsarotra hatramin’izao ity firenena ity ary heverina fa tsy mahagaga izany noho ireny fifamotehana hatrany nitranga tanatin’ireo tolona nifandimby ireny. Tsy mbola nisy namoaka ilay firenena tanaty fahantrana lalina nifandimby nolalovany hatramin’izao aloha ireo karazana dinika sy fikaonandoha efa nisy. Isan’ny fanontaniana matetika mipe-traka manoloana izany ny hoe satria sarintsariny hatrany ve? Sarintsarina dinika na koa sarintsarina fikaonandoha ve no nisy hatramin’izay fa tsy tena ilay sosokevitra noraisina hatrany ifotony? Nalaza ho fasana tetikasa hatrany ilay firenena. Maro ireo atrikasa, fikaonandoha, dinika tontosa saingy toa efa zary lamaody hatrany ny fisiana fehinkevitra mialoha hany ka sarintsariny fotsiny sisa ireo fiaraha-mivory na manao dinik’asa sy miatrika asa? Ilay fiaraha-misakafo sy miala hetaheta ve izany sisa no hany andrasana anatin’ireny karazam-pihaonana ireny dia mizara ilay solon-tsolika sy solon-tsaran-dalana avy amin’ny mpamatsy vola any amin’ny farany? Ny resaka fanodinana famatsiam-bola isan-tsehatra moa, mbola resaka hafa koa izay. Fanontaniana fototra tsy maintsy apetraka sy avy eo mila tontosaina izany izao ny ahoana no ahatongavana amina fikaonandoha tena izy, hitera-bokatsoa marina ho an’ity firenena ity, ary tena andraisan’ny rehetra anjara tokoa amin’izay? Lalan-tsarotra tokoa angamba izany saingy tsy maintsy mila diavina raha tena tiana tokoa ny hanavotra an’ity Madagasikara ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT