Edito

Edito Kisambotsambotra


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Nanamarika iny herinandro iny ny fisamborana ireo noheverina ho nikoizana tamin’ny resaka trafikana andramena. Vazivazy ny hoe isaky ny amin’ny 4 ora hariva na amin’ny 5 ora hariva eo no nitrangan’ny kisambotsambotra.

 

 

 Teo koa ny hoe efa misy tetiandro nomanin’ireo mpamolavola sy mpanapa-kevitra handaharana ny andro sy ny ora hisamborana ireo hafa mbola horohizana. Mety tsy ho trafika fotsiny koa fa lasa miverina anaty ahiahin’ny rehetra ny hoe hifoha indray ireo raharaha nahakasika olona maromaro nanelingelina ny fitondrana efa hatramin’ireny fotoanan’ny fifidianana ireny. Ny mahagaga, maninona no ireo mpiaradia tamin’ny filoham-pirenena teo aloha nandray fahefana taorian’ny tetezamita teo no ankamaroan’ireo lasibatra ? Roa no mety ho valiny dia satria na ny fitondrana Rajaonarimampianina izany no tena “tompony”, araka ny fitenin’ny tanora azy tamin’ny trafika maizimaizina sy avo lenta teto amin’ny firenena. Mety ho antony faharoa koa ny tandra vadin-koditry ny fitondrana mifandimby hatrany dia ny valifaty politika saingy takonana amin’ny hoe « Tsy ekena intsony ny tsimatimanota ». Oviana moa no fotoana tena nalaza ho nampirongatra ny  trafikana andramena sy ny resaka kolikoly raha tsy nanomboka teo amin’ny taona 2010 ? Dia tsy nisy olona ambonin’ny tetezamita hosaringotina tamin’ireny raharaha ireny mihitsy ve raha tsy hilaza afa-tsy ny raharaha Syngapour fotsiny, ohatra ? Fa maninona no mbola anaty fandresen-dahatra eo anivon’izao tontolo izao foana hatramin’izao ny fitondram-panjakana hanalana tanteraka ny sazintsika amin’io resaka harena voajanahary sy ny tontolony io ? Misy antony ny zavatra rehetra. Ny sary hita ho miseho sahady aloha izany hatreto dia ny hoe ny nolazaina ho tsy nety nataon’ny teo aloha ihany no indro fa haverin’ny mpandimby ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana. Iza moa no tena fatra-panenjika ny filoham-pirenena talohan’ny 2009 ho mpanagadra sy mpanao valifaty politika ? Mbola ho ela vao hiova ny firenena. 

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT