Edito

Edito Kihon-dalana voalohany


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Anio, raha tsy misy ny fiovana, dia hitodika eny anivon’ireo tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana indray aloha ny mason’ny mpanara-baovao rehetra. Inona daholo no ho didim-pitsarana hivoaka ao ?

 

 Mbola ho heno ao ve ny hoe “azo raisina fa tsy mitombona ?”. Na koa hoe “tsy Antananarivo irery akory no Madagasikara ?”. Sa hisy fehezanteny hanan-tantara vaovao indray hivoaka eo imolotr’ireo mpitsara izay hisahana ady amin’ny fanjakana izay ? Raha mba fehezanteny mitondra fandriampahalemana sy manafoana hatramin’ny otrikady moa maninona fa tsikaritra tato ho ato aloha dia hita ho fahazaran’ireo mpitondra malaza mihitsy tato ho ato ny manao valin-teny boraingina sy zary mandrangitra ny vahoaka maheno azy. Fehezanteny izay tsy mbola hita ho namaha ny olana mianjady amin’ny firenena aloha hatreto fa vao mainka aza mandentika azy sy hatahorana hampisara-bazana ny samy Malagasy. Hany ka tsy mahagaga raha miha tafiditra malalaka tsikelikely eto ireo fanatontoloana mivoana amin’ny soatoavina eto amin’ity firenena ity. Raha tsy hiresaka fotsiny ny resaka fiarahan’ny mitovy fananahana. Hirariana tokoa anie mba hanao fitsarana haneho fahendrena amin’ny vahoaka ny tribonaly  anio mba ho azo antoka fa lalana ho amin’ny fifampidinihana hitondra fitoniana no haterany fa tsy ady sanatria. Kihon-dalana voalohany eo amin’ny tantaram-pirenena io ho amin’ity taona ity ka ny hirariana dia hiravona eto ny ampahany betsaka amin’ny olana rehetra. Mbola sarotra mantsy hono ny fametrahana ny fihavanana eto ka dia enga anie mba ho diso ny fanahiana !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT