Edito

Edito Io resaka rano io


  • Alakamisy 26 Septambra 2019

Fitenin’ny Malagasy rehefa mahita olona milingilingy ny miteny hoe milalao afo saingy nalaza tato anatin’ity fitondrana ity moa ny teny hoe Velirano.

 

Ny mahagaga dia saika mifandraika amin’izay resaka rano izay ihany koa tao anatin’izay 9 volana izay ireo olana hita ho misongadina eny amin’ny fiarahamonina. Efa nandalo tany amin’ireo faritany ny fiakaran’ny rano nandritr’ireo loza voajanahary efa niseho teto amin’ny firenena. Mijaly amin’ny lafiny fahazoan-drano indray ankehitriny ny ankamaroan’ireo fokontany eto Antananarivo ary manomboka mipaka amin’ireo kaominina manodidina izany, raha ny fitarainana manenik’ireo haino aman-jery hatreto. Ny any amin’ny faritany moa tsy lazaina intsony. Mampahatsiahy ny tenin-dry zareo mpiaro ny zon’olombelona izay hoe “mampianjera” ny tsy fahazoana tso-drano. Manana fiainana anaty sy ivelany koa, hoy ny mpahay fiarahamonina, ny Malagasy ary misy akony amin’ny andavan’androny izany. Tsiahivina foana tokoa fa midika zava-dehibe amin’ny Malagasy ny atao hoe “rano” satria tandindon’ny aina. Ny mively rano, araka izany, dia midika hoe mively aina. Midika izany fa miantraika amin’ny aina raha sanatria tsy tanterahana ny atao hoe velirano, raha ny soatoavina Malagasy hatrany. Tsy azo vazivaziana, araka izany io resaka rano io, teo amin’ireo razantsika ka asakasak’izay tia milalao rano sy tsy hanatanteraka ny veliranony fa ny mahay milomano ihany, hono, no maty an-drano.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT