“800fmg ny 1FF tamin’ny fitondrako”, “raha nihaino ny teniko tsy ho toy izao mihitsy ny firenena”.
Teny nanaitra izany tamin’iny faran’ny herinandro iny ary nampitanaka ihany ny nahita ilay olona niteny azy. Efa naverina teto ary mbola averina indray fa tsy misy fiainana miha mora vidy izany eto ambonin’ny tany ary ny Malagasy aza mpamerina matetika fa lanja miakatra ny fiainana. Ny dikan’izay dia ny fampitomboana ny ao am-paosin’ny vahoaka ao mba hahafahany miatrika izay fisondrotry ny vidim-piainana izay no tokony ho vahaolana nimasoana sy mbola himasoan’ny mpitondra rehetra nifanesy sy mbola hifanesy eto amin’ity firenena ity. Inona sa inona avy izany ilay teny majika tokony ho nohenoina ? Inona ihany koa no tiana holazaina amin’ny hoe tsy toy izao ity firenena ity raha nohenoina izay teny izay ? Moa ve tsy teo akaiky ary mbola eo akaikin’ny filoha ankehitriny io milaza azy ho tsy notoavin-teny io ary nandroso ve ny firenena tao anatin’izay 14 taona nihainoany azy izay ? Raha tsiahivina ny tarehimarika dia nanodidina ny 52% teo sisa no Malagasy niaina tao anatin’izay fahantrana izay talohan’ny taona 2009. Ny harinkarena faobe henjehina hotratrarina ankehitriny aza efa nihoarana tamin’ireny fotoana ireny. Nanomboka ny 26 janoary 2009 anefa, asa na iza no nohenoin’ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ireny fa teraka aloha nanomboka teo ny krizy ary hatramin’izao dia mbola sarotra ny manarina azy. Mbola tafiditra tao anatin’ny firenena 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany isika ny fiandohan’ny herinandro teo fa tsy nisy andro vitsy taorian’izay akory dia efa naman’ireo 4 mahantra indrindra sahady kanefa ny herinandro tsy nifarana akory. Efa nitantana tetezamita nandritry ny 5 taona ny filoha ankehitriny. Olona natolony ihany koa no nitondra taorian’iny. Ankehitriny, miverina izy rehefa avy nanome toky fa efa vonona ny zava-drehetra hahafahana manandratra an’i Madagasikara. Amin’izao anefa dia hoe ireo orinasam-panjakana indray no hianteherana hamatsy. Nifamadika tamin’ny nampanantenaina ny zava-misy. Sa ve tsy nihaino ilay mpanolotsaina manokany tokoa ny filoha no nahatonga an’izany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.