Ny tanimbary mamokatra tapitra totofana. Ny vakoka sasany toy ny eny Ambohitrimanjaka koa harodana.
Ny sasany amin’izy ireny mba miangana sy mirakitra ny tantaram-pirenena sy kolontsaina, farafahakeliny tantaram-paritra, koa aza mbola horavana amin’ny alalan’ny fanovana ny endriny. Tsy ireo zavatra hita maso na materialy ihany no ho rava eto raha izao no mitohy fa hatramin’ny soatoavina na ny kolontsaina na ny tantaram-pirenena. Tsy ho takatry ny taranaka faramandimby intsony ny dika sy famaritana ny fihavanana sy firaisankina nampalaza. Na ny CFM izay nametrahana ny adidy hamerenana azy aza toa miraviravy tanana. Ny kolontsaina vahiny anefa miha manafika isan’andro ary miha mankafy izany ny tanora Malagasy. Teo aloha teo ny an’ny frantsay sy amerikanina fa ankehitriny miha mahazo vahana eto koa izao ny kolontsaina aziatika sy ny indianina. Ny antsika anefa miha mahazo taona sy miha lasan-ko razana tsy misy mpamelo-maso ireo mba nivoy ny maha izy azy na “identité” an’ity firenena ity. Tsy manana arofanina na “repère” intsony ny tanora ary mihevitra fa mandeha ho azy daholo ny zavatra rehetra. Disoina koa ve izany ny tantarany mba tsy hahitany ny lalan-kombany ? Hamokatra tanora manao ahoana ity firenena ity ? Ho tanora mpandray vonona sy mpanjifa fotsiny ve sa mba ho mpamokatra sy mpampandroso firenena ihany ? Ny zava-misy dia maro ny Malagasy mahatsapa ankehitriny fa mikorosofahana ny fiarahamonina eto amin’ity firenena ity saingy samy tsy misy mahita ny tokony hatao hanarenana azy. Ny heverina ho tompon’andraikitra aza miraviravy tanana. Eo ny tsy fandriampahalemana sy ny vono olona miha mahatsiravina. Eo ny fahasahiana amin’ny fanaovana fihetsika sy fomba mivaona amin’ny kolontsaina. Ny manakiana sy manitsy azy ireny indray no lazaina fa tsy tia fandrosoana. Miha mahazo vahana anefa izao ny toe-javatra toy ireny kanefa nitondra fandrosoana sa fihemorana sy faharavana ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.