Edito

Edito Ho hita eo tokoa !


  • Talata 10 Septambra 2019

Tonga ity ny fotoana hiverenan’ny filoham-panjakana vatikanina any amin’ny firenena nampandraketana azy ary hialany ihany koa eto Madagasikara taorian’izay fotoana vitsy nafonja niezahany namafy fiadanana sy fanantenana teto izay.

 

 

 Ho hita eo na tena hisy izany hitoetra maharitra amin’izay eto amin’ity firenena ity na fihatsarambelatsihy tamin’iny vahiny ara-panahy iny ihany no mody namafana ny tokotany. Maro ny hafatra ary efa saika vitan’ireo mpisehatra politika heverina ho goavana avokoa ny namintina azy. Tsy moramora anefa izany hoe tena hiady amin’ny kolikoly na koa tena hiaro ny tontolo iainana sy zo maha olona, indrindra, hamerina amin’ny laoniny ny soatoavina maha izy antsika. Efa naman’ny niteny an-kolaka mihitsy aza ny Papa hoe tsy hisy fampandrosoana ho vanona eto raha tsy tomombana ireo rehetra ireo. Heverina fa voalohany niantefan’ny hafatra rehetra ny filoham-pirenena izay, raha sanatria, mbola diso famindra eo tokoa dia naman’ny namato-tena tamin’ny fianianana naveriny indray nanoloana ity Raiamandrenibe ara-panahy ity. Ho sahin’ny filoham-pirenena ve ny hampiaina seho ivelany fotsiny ny Papa sa tena heveriny ho zava-dehibe iny famerenana velirano imason’olon-dehibe iny ? Ho hita eo tokoa izany tena hoe fitsinjovana ny vahoaka Malagasy sy fanavotana ny firenena hitohy izany. Sa moa vao hiainga mihitsy ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT