Edito

Edito Ho ady sa adilahy ?


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

6 volana mahery taorian’ny nijoroan’ny fitondrana Rajoelina dia manomboka mijoro koa ankehitriny ny rafitra politika rehetra heverina fa lojika ao anatin’ny atao hoe repoblika.

 

 

Efa io ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny governemanta, ny antenimieram-pirenena, ny antenimierandoholona sy izay rantsamangaika hafa rehetra. Singanina manokana ao anatin’izany moa ity resaka mpanohitra sy fanoherana ity. Mampifandrirotra azy io sy ny fitondrana ankehitriny ny fikasan’ny hery an-kavanana, izany hoe, ny mpiaradia amin’ny fitondrana hanolo ny lalàna voasoratra sahady kanefa tsy nampihatra izany akory. Efa mazava moa izany ny ao ambadik’izay fa fikasana hanilika ihany koa ny mpifaninana mivantana tamin’ny filoham-pirenena ankehitriny nandritry ny fifidianana mba tsy ho filohan’io hery hankavia io. ho ady sa adilahy, izany hoe, krizy politika indray no ho vokatr’izao atsy ho atsy ? Hifampiziriziry hahatonga ny vahoaka ho sorona sy ho diso fanantenana atsy ho atsy indray ve sa mba tena hahita fifanarahana matotra ho an’ny tombontsoan’ny olompirenena rehetra ? Fanontaniana heverina fa ilaina hapetraka izany rehetra izany mialoha ny tsy hisiana fanapahan-kevitra mitory fitiavantenan’ireo mpitondra indray na fahefana mpanao lalàna io na mpanatanteraka.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT