Edito Hiziriziry mandra-pahoviana?

Hiziriziry mandra-pahoviana?


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Izay izany izao raha fehezina ny fanontaniana apetrak’ireo herivelona maro

anatiny sy iraisampirenena amin’ny fitondrana ankehitriny sy ireo mpampirisika azy amin’izao fomba fitantanana tsy nahombin’izy ireo tao anatin’ny 15 taona izao. Averina hatrany fa izy ity akory tsy sanatria fitiavana te hitsikera na hanakiana lava ilay fitondrana mijoro amin’izao fotoana izao fa ny hita isan’andro mihitsy no efa iarahan’ny maro an’isa, mba tsy ilazàna hoe ny rehetra, miaiky fa efa tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony na dia tsy hitanisa afa-tsy ny fako tsy misy mpaka, ny tanàna tsy misy ben’ny tanàna, ny endrika tsy fandriampahalemana maro ihany aza. Na mpanao politika, na mpanohitra, na mijoro ho hery afovoany, na fiarahamonim-pirenena na iza na iza dia samy milaza izany daholo amin’izao fotoana izao. Iny izao ny solontenan’ny vondrona eoropeanina miasa eto fa niteraka resabe tao anatin’ny 2 andro mikasika an’ity resaka famosirana mpanolana ity dia mandeha moa ny vazivazy zaritenan’ireo mpanara-baovao hoe mpanohitra koa ve izany iny ramatoa iny? Ekena tokoa fa ratsy ny fanolanana ary fisokajy ho olon-tsy vanona ireo mpanolana saingy ny adihevitra miseho matetika ao anatiny ao moa dia isany ny hoe ary raha namandrika ilay vehivavy na koa hoe ary raha ny vehivavy indray no manolana dia inona no atao aminy? Tsetsatsetsa tsy aritra iny fa ity resaka fanajàna ny sonia natao ity aloha izany dia efa niaraha-nahita hatrany amin’ny taona 2009 ny nafitsok’ity fitondrana ity momba izany. Nisy sonia nataon’ny firenena malagasy teo anatrehana rafitra iraisampirenena koa mikasika ity atao hoe zon’olombelona ity ka iarahan’ireo mpikirakira vaovao mahalala tsara izany izao eto fa tsy any amin’ny hoe mety ve sa tsy mety ilay sazy kasaina ho raisina ho an’ireo mpanao heloka no adihevitra fa hoe inona no tokony ho atao? Ny lalàmpanorenana eto amin’ny firenena rahateo mikasika azy io ao amin’ny andininy faha 8 dia mamaritra ny amin’ny tokony hangatahana alalana amin’ireo izay kasaina hanaovana andrana ara-pahasalamana. Iaraha-mahita io fa mikatso amin’ny lafiny rehetra ny fiainam-pirenena. Mikatso ny politika, ny toekarena, sosialy, ny resaka fahasalamana mihitsy aza moa no tena miha mitotongana lalina mihoatra amin’ny fanabeazana indray aza satria na ny mandroaka fako aza ity tsy vita intsony nefa heverina fa izany no antoky ny fahasalamana voalohany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT