Edito

Edito Hizaha tapa-porohana


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Inona ihany izany no hatao ? Samy manao izay ho afany hankalazana ny azy avy ireo milaza fa tokony ho laharam-pahamehana ny fifidianana, an-daniny sy ny mpomba ny maha laharam-pahamehana ny fanorenana ifotony an-kilany.

Ny mampametra-panotaniana koa anefa, ankoatr’izay, dia hoe tena tanjon’ireto mpisehatra ireto tokoa ve ireo zava-boizin’izy roa tonta ireto sa mba fitia te andrirodrirotra fotsiny ? Miverina miha mahazo vahana indray ny fivorivoriana etsy sy eroa hanaovana atrikasa sy fihaonambe ary fikaonan-doha kanefa hatramin’izao toa tsy hita izay hevi-baovao fa ny efa hatramin’izay ihany no mihodinkodina ao. Samy milaza azy ho voalohany nandroso hevitra daholo, ohatra, fa tokony hofoanana ny antenimierandoholona saingy ilay fomba hahafahana manafoana azy anefa tsy aroso mazava fa asa voamboana any ambadiky ny sarinteny any hatrany. Maika ny fifidianana, hoy ny sasany, kanefa tsy hita hatramin’izao izay finiavana politika mitondra any amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ao anatin’ny fotoana fohy. Tsy mbola miova fa mijanona hatreo am-pandraketana anaty boky be ireo hevitra voaangona hatrany aloha ny fomba amam-panao politika eto fa tsy mety mahatafavoaka fanatanterahana mazava. Tokony hatomboka, hono, ny fanorenana ifotony kanefa ilay vahoaka izay tokony ho fototra aza ezahana tsy hahafantatra izay ambonin’ny tany amin’ny zava-misy marina iainany. Fehiny, tsy hita izay horaisina amin’ny mpanao politikantsika fa dia ho sahirana hizaha izay tapa-porohana sisa tsy may sisa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT