Edito

Edito Hisoroka fahafaham-baraka…


  • Zoma 06 Septambra 2019

Tonga ity ilay andro malaza. Higadona eto an-tanindrazana ny vahiny lehibe ary tena manan-kaja.

 

Samy seriny teo daholo tao anatin’izay herinandro maromaro izay ny rehetra. Indrindra ny fitondram-panjakana. Nodiovina daholo izay mora hitan-donto rehetra ary izay tsy tratra tao anatin’izay fotoana toa zary nihazakazahana izay aloha izany dia aleo afenimpenina ihany. Sady lehibena finoana matanjaka eto ambonin’ny tany no horaisina no mbola mpitondra fanjakana ihany koa. Voninahi-pirenena miditra ny toy izany ka heverina fa fady ny manao kinanga azy. Ankoatra ny dinika ara-pinoana, indrindra ho an’ny Kristianina Katolika dia tsy maintsy tafiditra ao anatiny koa ny fanamafisam-pifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny fanjakana vatikanina. Fanararaotra ireo fotoana fohy mandalo kanefa sokajiana ho goavambe ireo hisian’ny fifampidinihana rehetra ho amin’ny mety ho fiaraha-miombon’antoka azo atao. Ny dikan’izany dia hisoroka fahafaham-baraka indray aloha satria aty amin’ny nosintsika ny mason’izao tontolo izao. Ny irariana dia ny mba hitondra fiadanana, araka ny nampahafantarana azy tokoa, ity fandalovana olobe manan-kaja eto ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT