Edito Hipoitra ho azy eo ihany!

Firifiry izay zava-niseho teto amin’ny firenena nolazaina fa tsaho izay,


  • Alarobia 31 Janoary 2024

hoy ireo mpanara-baovao, kanefa rehefa nandeha teny ny fotoana dia voamarina fa

tena zava-nisy ihany taty aoriana izany? Tsy hiverina hitanisa ireny rehetra ireny moa fa dia hanamarina na handiso izay voalaza sy miseho eo hatrany tokoa ny fotoana. Hipoitra ho azy eo ihany! Maninona moa no tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena? Hatramin’ny asana ben’ny tanàna aza ity lasa nataona governora? Maninona no lasa misy hoe filohana andrim-panjakana dia tsy tonga nanokatra fivoriana? Maninona no saika isan’andro no ahenoana tetikasa tsy mety manomboka atsy, tetikasa tsy mety manomboka aroa? Sora-bolabe firifiry moa no heno niraradraraka tamin’iny 5 taona fe-potoam-piasana voalohan’izao fitondrana izao nefa inona izany izao no vokatra misongadina ankoatran’ny firenena farany mahantra sy isan’ny manana vahoaka noana betsaka indrindra ilay firenena? Dia mbola hiziriziry tsy hivaky ihany ve fa misy fomba fitantanana efa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ao? Tena iray tokoa ve ny fanohanana ilay fitondrana, izay rafitra ambony indrindra eto amin’ilay firenena? Eny amin’ny fiarahamonina eny, any amin’ny toeram-piasana samihafa any, eny, na any amin’ny toeram-pivavahana aza moa mbola ahitana ny hoe “sakaiza manody”, “mpandefina ivoho”, “mpiatsara ivelatsihy” ka mainka moa izany ka anatina rafitra izay nolazaina matetika fa vokatry ny tolona na koa hoe fanonganam-panjakana? Voalaza matetika fa azo tamin’ny fomba tsy mazava, verindroa, hala-bato, nanitsakitsaka lalàmpanorenana? Hipoitra ho azy eo ihany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT