Mety hitombina ihany ny tombantomban’ny mpanara-baovao milaza fa tsy maintsy hisy ny fihaonana sy dinika hifanaovan’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Nirina Rajoelina, vao hivaha tanteraka ny krizy eto Madagasikara. Izy mirahalahy ireo mantsy no nipoiran’ny fifanolanana, ary misy firenena sy fikambanana iraisam-pirenena matanjaka samy manohana azy avy. Raha nihaona tamin’ny filoha Namibianina sy ny filoha Mozambikanina ny filohan’ny FAT dia nanana solontena nitafa sy nidinika tamin’ny filoha am-perinasan’ny SADC ihany koa Atoa Ravalomanana, ary efa nisinisy ihany ny fifampiresahany tamin’Atoa Joaquim Chissano, filohan’ny vondron’ny mpanelanelana amin’ny krizy Malagasy. Tsy takona afenina fa manohana an’i Andry Rajoelina ny Frantsay sy ireo firenena sasany aty Afrika sy any Azia na dia tsy miteny mivantana izany aza ; ao ambadik’i Marc Ravalomanana kosa ny Amerikanina sy ireo firenena miteny Anglisy miaraka amin’ireo firenena any avaratr’i Eoropa, mbola maro ihany koa ny filoha Afrikanina no manohana ny hetsik’ity filoha teo aloha ity amin’ny fanoherana ny fanjakazakan’ny Frantsay aty Afrika. Tsy sanatria fanambaniana ireo ankolafy politika sy fironana hafa tsy akory, fa raha ny tena marina dia fifanandrinana goavana eo amin’ny ankolafy roa, dia Ravalomanana sy Rajoelina ary ireo mpanohana azy avy no misy eto Madagasikara fa mpijapy lamasinina sy mpanararaotra ny krizy no maro amin’ireo manao politika be resaka tato anatin’ny roa taona mahery ireo.
Ny fifanarahan’ireo ankolafy roa ireo ihany izany no tena hamaha tanteraka ny krizy. Tsy maintsy hisy, araka izany, ny fifanatrehana eo amin-dRavalomanana sy Rajoelina, izay tsy fantatra ny diso sy marina fa hahafahana kosa mikaroka ny vahaolana mahomby ho an’ny firenena. Tsy maintsy izay ihany koa ny lalana hizoran’ny mpanelanelana satria na any amin’ny tany miady an-trano aza, amin’ny farany dia tsy maintsy misy foana ny fifampiresahana an-databatra boribory eo amin’ieo mpifanandrina. Tsy tena nety tanteraka mihitsy hatramin’izay io fihaonan’ny roa tonta io, satria tsy tena voaresaka tsara, ary maro ihany koa no nitsivalana amin’ny hanatanterahana azy. Atoa Ravalomanana manokana dia efa nilaza fa vonona ny hifanatrika na amin’iza na amin’iza ho an’ny fikarohana ny vahaolana hivoahana amin’ny krizy.
Efa nisy ihany ny fifanatrehana niaraka tamin’ny minisitra vitsivitsy teo amin’izy mirahalahy ireto nandritra ny Maputo I saingy tsy tena namokatra izy io satria tao anatin’ny fotoana nampafana ny toe-draharaha. Ny 20 mey ho avy izao no hotanterahana ny fivoriana tsy ara-potoanan’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC ka handraisana fanapahan-kevitra momba an’i Madagasikara. Ho hita eo raha mialoha na mandritra an’io no hampihaonana ireto ambara fa mpifanandrina fototra niavian’ny krizy ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.