Edito

Edito Hanova toetsaina !


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Mila manova toetsaina isika malagasy. Azo antoka fa farafahakeliny angamba, 58 taona, no nahenoana ny tolo-bahaolana hamahana ny fahasahiranana teto Madagasikara.

 

 

Arakaraka ny fitombon’ny olona niteny izany indrindra anefa no toa vao mainka nampitotongana ny faripiainantsika mianankavy. Ilay fahasahiranana aza nivadika fahantrana indray avy eo ary ankehitriny moa lasa fahantrana lalina mihitsy. Tsy halavaina ny resaka satria tsy ilay hoe mila manova toetsaina akory no diso fa ny hetsika tokony hatao hahatongavana amin’izany mihitsy no hita mamparisarisa ny maro tsy mahafoy ny mahazatra azy. Na mpitondra na entina dia voakasik’izany daholo. Matoa ireo firenen-kafa nitovitovy laharana tamintsika fahiny efa tonga amin’ny tena hoe fisandratana marina fa tsy fisandratana nofinofy, araka ilay tsy hitantsika hatramin’izao dia niara-niova toetsaina izy ireo. Nanomboka tany amin’ny vahoaka ka hatrany amin’ny mpitondra. Niray saina tsy hanjifa ny vokatry ny mpanjanatany anglisy ny indianina tamin’ny andron’i Gandhi na dia nampiharana fampijaliana maro loko aza. Nifanaiky hifamela sy hiarina ny Roandey na avy niaina ady an-trano mahatsiravina aza. Isika ity tsy niaina na dia ny ampahazaton’izany tranga izany akory kanefa dia malaina tena hanova toetsaina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT