Edito

Edito Hanompo sa hisolelaka ?


  • Talata 26 Septambra 2017

Saika isan’andro dia ahenoana tsy fandriampahalemana manerana ny nosy. Ahenoana kolikoly,

 vaky fasana, fakana an-keriny sy izay rehetra mety hanohintohina ny fitoniana sy ny filaminam-bahoaka ary dia manakona ny ezaka ataon’ny governemanta izany, hoy ny tompon’andraikitry ny zandarimaria omaly. Efa nekena foana hatramin’izay fa nisy ny ezaka ary nolazaina hatrany ihany koa fa manao zavatra ny fitondrana. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia hoe ampy ve ny ezaka ? Mendrika ireo malagasy izay nofitahina lava sy nohararaotina nangalara-bato noho ny halemeny sy ny fiheverana azy ho bado ve ? Aoka tsy ianareo, hoy ny minisitra misahana ny fitaterana, no hanararaotra ny tsy fahaizan’ireo 70%-n’ny tantsaha tsy mahay mamaky teny sy manoratra raha nananatra ireo tompon’andraikitra misahana ny fananantany vaovao, navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly. Ianareo aza no tokony hanampy azy, hoy izy. Anisan’ny nitsikerana ny filoham-pirenena nandritry ny fivahinianany tany New york farany teo nandritry ny fihaonana an-tampon’ny firenena mikambana ny tsy nitsanganan’ny filoham-pirenena frantsay akory niarahaba azy. Filazana an-kolaka ve iny fihetsika iny fa tena efa marionetin’ny frantsay tokoa ny malagasy ka na toy inona fanambaniana dia tsy hanaitra ny hambompony ?  Tsikera nandeha koa ny hoe nidera tena fotsiny no nataon’ny filohantsika fa tsy nilaza ny zava-misy marina akory. Anjaran’ny filoha no misafidy na hanompo ny malagasy na hisolelaka vahiny ¡

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT