“Avereno aminay ny asanay”, hoy ry zareo polisy. “Avereno aminay koa ny taninay”, hoy ry zareo havana avy any Atsimo.
Tsy azonay, hoy ny mpanakanto iray izay mijoro ho an’ny tanindrazany any amin’iny faritra iny, ny tian’ny filoham-pirenena ambara amin’ilay hoe avereno amin’i Kaisara izay an’i Kaisara. “Ny tody itsy misy fa ny atao no miverina”, hoy ny Ntaolo. Hanomboka hifampitady sahady amin’izay izany izao ny mpitondra sy ny entina. Asa aloha izay ho fivoaran’ny toe-draharaha ato ho ato. Azo antoka koa anefa fa hifampitady ihany koa ireo antoko heverina ho lehibe miisa roa eto amin’ny firenena amin’ny fifidianana ho avy izao. Hita eo izay ho fisehony fa miha voamarina hatrany hatreto ny lova nomen’ny vahoaka ny fitondrana mijoro ankehitriny dia ilay “ nitady zaza ka tera-dahy”. “Nitady raharaha ohatra an-dRainizafilemena”, hoy ilay fitenenana izay ka dia tsara tso-drano izany izy koa ! Asa na fantany fa tsy moramora ny mitondra firenena. Tsy vita ambony latabatra sy hatreo amin’ny boky be sy karazan-takelaka tsara rafitra io akory. Ny bainga voavadika ihany no vavolombelon’ny asa. Tsy adala ireo razantsika namerimberina ireny anatra rehetra ireny. Ny maha mpitarika ny mpitarika sy ny maha raiamandreny ny raiamandreny rahateo dia ny fahaizany mitana izay teny nomeny. Fonenana manara-penitra mijoalajoala no tena izy sa kaontenera ? Ho filohan’ireo akamakama sa tena hitarika ny fampihavanam-pirenena ? Hanavotra tokoa an’i Madagasikara sa mbola hamerina sy hanohy ireo fomba ratsy taloha ihany ? Tsy hiverenana intsony angamba ny resaka vahaolana tapimaso tato ho ato sy ny fanenjehana ireo mpiara-miasa tamin’ny fahavalo politika teo aloha. Toa zary tanana zatra mitsotra. Lasa kolontsaina raiki-tapisaka ihany koa. Zary lasa miverina ao an-tsaina indray amin’izao ny toetsaina napetraky ny fitondrana tetezamita. Sa tokoa ve ny mpanongana dia mpanongana hatrany ? Toa mitady haongana daholo tokoa mantsy ireo tsy niray tadin-dokanga tamin’izany fotoana ary hita amin’ny endriny rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.