Edito

Edito Haingam-pandeha !


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Samy manana ny haingam-pandehany io, hoy ny firesaky ny zatovolahy sy zatovovavy rehefa mahita tranga mivaona amin’ny tokony ho izy ao anaty fiarahamonina.

 

 

 Lamasinina haingam-pandeha na TGV moa no nahafantarana ny filoham-pirenena ankehitriny fony izy tena mbola maitsovolo. Zary lasa rivotra mitsoka namondronany ny ekipa politikany sy ny mpiaradia aminy io ankehitriny. Fitondrana TGV. Tsy misy izay tsy mahazo an-tsaina an’izay ny maro. Nireharehany efa hatrany am-piandohana fa fitondrana haingam-pandeha ny azy. Ny tsy vitan’ny teo aloha tao anaty 58 taona, hoy ny filoha, hovitaintsika 5 taona. Asa anefa fa dia mitady ho tonga amin’ilay fitenenana hoe : “Ny mahery tsy maody tsy ela velona” ankehitriny ny fitondrana Rajoelina. Tsy ny fampandrosoana ny firenena araka izay nampanantenaina ny vahoaka no haingam-pandeha fa ny fampahasahiranana azy bebe kokoa indray aza. Mbola tsy misasaka akory ny 100 andro dia efa mitokona daholo ny ankamaroan’ireo sendika. Raikitra ny fitakiana vaovao kanefa ny olana teo aloha aza tsy mivaha. Nahonena ny fahenoana ny fihenan’ireo tombontsoa omena ireo mpampianatra mpikaroka omaly. Ny an’ny mpitondra anefa, hoy ny filohan’izy ireo, tabataba in-dray mandeha dia efa mihoatra izay takiana no mivaly. Tsy fomba, hoy izy ny mampiasa herisetra amin’ny zanaka Malagasy saingy fanao kosa ny mibaboka aminy hoe tsy vitanay ny fampanantenana nataonay. Efa nisy sahady ny mpianatra nievoka baomba mandatsa-dranomaso, naratra mafy sady vaky maso, mpiasam-panjakana mitokona miha maro ... Hanampy trotraka koa atsy ho atsy ny fiakaran’ny saran-dalan’ireo fitateram-bahoaka sasantsasany. Ny tsy fandriampahalemana anefa mbola mitohy hatrany. Aiza ilay vahaolana tokony ho efa hita soritra tao anatin’ny iray volana ? Aiza ny fiatombohan’ny fanatanterahana ny vina ? Sa ny fampitomboana ny fahasahiranam-bahoaka ve no hatao haingam-pandeha ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT