Edito Fomba fiasa tsy miova…

Angamba na dia tsy tena maro aza


  • Zoma 02 Febroary 2024

dia azo lazaina hoe mety mba nitombo ihany ireo malagasy mba

niandry fomba fiasa vaovao nentin’izao fitondrana inoana fa mba miheritreritra azy ho vaovao izao ihany koa! Antony hilazana izany moa izany dia ny hoe satria taorian’ny fitsirihana ireo neverina ho atidoha na “cerveau” dia nampidirina indray ankehitriny izany ireo be diplaoma. 100 andro, raha ny nambaran’ny filoham-pirenena, no hanaporofoin’izy ireo ety am-piandohana hoe diplaoma fotsiny ihany ve no an-tanan’izy ireo sa tena hain’izy ireo ihany koa ny mamadika izany diplaoma ananany avy izany ho asa taratry ny fahaizana heverina fa ananany avy? Niara-nahita isika ny lozan-jondran-dalamby na FCE nahafatesan’olona miisa 3 sy nandratrana olon-kafa ihany koa farany teo. Ny mpanara-baovao nahita sy namakafaka ny fipetraky ny lalamby sy ny masinina nitaingina teo amboniny hoe nifanaraka ve sa tsia? Efa misy mametra-panontaniana koa aza hoe iza indray no ho sorona manaraka? Fa maninona tokoa moa no dia toa misy endrika sorona tahaka izany foana, indrindra, rehefa fiandohana fotoam-piasana toy izao? Tsaroantsika ny zava-nitranga teny Ambohinampamarinana tamin’ny fotoan’andro. Tsaroana koa ny nitranga tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, izay lasa kianja Barea ankehitriny. Mbola nisy faty olona sy ratran’olona niraraka koa aza nefa taty aoriana na dia efa niova ho kianja Barea aza izany. Mbola io ihany ny fahatapahan-jiro dimbiasin’ny fahatapahan-drano. Mbola io ihany ny rehareha rehefa mba manao zavatra. Iny izao teny Anosipatrana dia nolazaina fa tsy niandry ela fa nandray ny andraikiny avy hatrany, hono, ny tomponandraikitra nanala ilay fako be nefa efa firy andro moa iny fakobe tsy manam-paharoa iny no nitoby teo. Iza koa moa no niteny na tompon-kevitra tamin’ny hoe hatobio eo ilay izy? Dia mbola mipipika sy mipoapoaka ihany ny sarisary sy ny werawera amin’ity fomba fiasa tsy miova fa dia asakasak’izay hino tokoa fa hampiova vokatra moa izany rehetra izany koa!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT