Edito

Edito Fisandratana hafa no tonga


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Fisandratan’i Madagasikara na hoe « emergeance de Madagascar » no nampanantenain’ny filoham-pirenena sy ireo mpiaradia aminy efa ho herintaona izao.

 Lasa izay ny 6 volana latsaka kely nandraisan’ny filoha Rajoelina ny fitantanana an’i Madagasikara saingy mbola hita ho mifantoka amin’ny fitohizan’asam-panjakana sy ny fitokanana ny vitan’ny mpitondra teo aloha no tena mibahana ny fandaharam-potoanan’ny fitondrana ankehitriny. Fisandratana hafa mihitsy no tonga ary na dia atao tokoa aza ny tsy hampifangaro ny raharaha politika amin’ny baolina kitra dia tsy misy hahafaha-milaza ny zava-misy mety indrindra ankoatry ny fehezanteny hoe « Nahazo ny fisandratany ny baolina kitra malagasy. Ny tompondakan’i afrika anefa mandalo, hoy ny teknisianina iray izay. Mba manao ahoana kosa ary ny mikasika izay fisandratan’i Madagasikara izay, indrindra, ireto vahoaka ao aminy efa misy mitaraina ho maty noana sy sahiran-dava ireto ? Toa na ny fahafaha-mampidina ny vidin-tsolika hifanaraka amin’ny vidiny tena izy aza nanahirana ny fitondrana ny nifampiraharaha momba azy kanefa dia ny filoham-pirenena mihitsy no nandresy lahatra ireo mpandraharaha momba izany nandritry ny 3 andro be izao. Hita ho mitady hiverina sahady indray koa ny fahiny raha nahita ny fihetsik’ireo depiote mahaleotena sasany iny omaly iny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT