Edito

Edito Firehana manimba


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Miditra ao anatin’ny antsoina hoe rivo-pifidianana sahady indray isika ankehitriny.

 

Tontosa izay ny fandraisana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidian’ireo maniry ho lasa ben’ny tanàna na mpanolotsain’ny tanàna any amin’ireo kaominina misy eto  Madagasikara. Mbola 2 volana latsaka tsy hahatongavan’ny fiandohan’ny fampielezankevitra dia efa raikitra sahady, na eny an-jorony eny io na tambazotran-tserasera, ny fifanaovana vavabe isan-karazany eo amin’ny mpomba sy mpanohitra. Nanaitra ihany tao anatin’izay fifidianana efa lasa izay ny fahavitsian’ireo tonga nandatsa-bato sy ny fihariharian’ny hoso-pifidianana nitranga fa manaitra lavitra mihoatra izany ankehitriny ny fahitana fa mbola misy firehana manimba any anatin’ny tsirairay rehefa miresaka politika sy raharaham-pirenena. Mbola maro amintsika no mijery olona fa tsy foto-kevitra sy tetikasa. Aty amin’ny fiomanana dia efa hita sahady ny fahavononana tsy hanao lalao madio fa ny fifampihantsiana no tonga mialoha. Hany ka mora amin’ireo manana fahafahana hanatanteraka hoso-pifidianana foana tokoa ny manatontosa ny fomba ratsiny satria firehana politika hatrany no mibaiko ny safidin’ny vahoakany fa tsy fomba fijery politika. Rahoviana ary isika no haharay lesona fa manimba ny firehana ary manitsy kosa ny fomba fijery ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT