Edito

Edito Fihoaram-pefy manara-penitra


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Tsy misy mazia ny politika. Ilay politika faritana amin’ny atao hoe fitantanana firenena na fitantanana raharaham-pirenena mihitsy no resaka eto satria dia tsy mety mitsahatra hatramin’ny niandohan’ity fitondrana ity

 ka hatramin’izao ny tranga manaporofo fa avy any ambony ny ohatra mikasika ny zava-miseho rehetra hita eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny. Hita miseho nanomboka eny amin’ny olompirenena tsotra, nandalo tamin’ny mpitandro filaminana ary iny nampahatsiahivin’ireo mpanao politika, mpitarika antoko, mpitsara iraisampirenena teo aloha vao omaly iny koa ny fihoaran’ireo mpitondra nanomboka ny taona 2009 no nankaty. Fihoaram-pefy manara-penitra izany no niseho tato anatin’ny 12 taona, raha fehezina ireo fanehoan-kevitra. Nandeha ny fanonganam-panjakana rehefa tsy nahandry ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika toy izay ireharehany amin’izao fotoana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny ekipany. Tsy tanisaina intsony ny tsy fanajana ny tondrozotra tamin’izany fotoana, ny tsy fametrahana araka ny tokony ho izy ny sata mifehy ny mpanohitra, ny fananganana lalampanorenana hitondrana repoblika tanatina tetezamita sy izay nanekena lembenana rehetra hatramin’izao, hoy ny filazan’ireo mpanohitra ny fitondrana ankehitriny azy izay. Satria mbola izay moa izany hatramin’izao ilay maodelim-pitantanana misy eto dia ireny nitohy niseho teny amin’ny kianja Barea ny alahady teo nandritry ny firavan’ny lalao baolina kitra ireny ny tohin’izay ohatra amin’ny kolontsain’ny fihoaram-pefy izay. Niara-dalana taminy koa iny mpitandro filaminana nidaroka sivily izay tsy vao sambany iny. Ny fanimbana ny tontolo iainana izay fandrorana mitsilany mandritra farihy manginy fotsiny. Sarotra ho an’ny mpandrava tokoa ny manangana, hoy ilay fitenenana izay, saingy enga anie mba ho tonga ihany ny fahagagana!
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT