Edito

Edito Fety maha lasa saina


  • Alakamisy 27 Jona 2019

Ny fanasana ny filoha Rwandey ho vahiny manankaja sy manokana angamba heverina fa fahasahiana goavana ary iriana ho fakana traikefa amin’ireo firenena niray lalana amintsika taloha saingy efa nivoatra lavitra kosa.

 

Zary fety mahalasa saina ihany iny notanterahana tetsy Mahamasina omaly iny raha ny eo amin’ny resaka diplaomasia fotsiny no asian-teny. Inona no antony nanasana ny tafika frantsay, maorisianina ary kaomorianina ? Fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’iza marina moa omaly ? Efa ho 5 taona mahery izao no niteraka adihevitra sy resabe ny fibahanan’ireo arendrina sy fitaovam-pankalazana fahaleovantena “sinoa” ny toeran’ireo arendrina sy fitaovam-pankalazana fahaleovantena “Malagasy” teto Madagasikara ary mbola nampipetraka an’io fanontaniana hoe fahaleovantenan’iza no hankalazaina eto io saingy tsy nisy nihaino sy namaly. Mahonena ny maheno ireo Malagasy raiamandreny sy Malagasy sasany toa tonga saina ihany nefa tsy afa-nanohitra raha niteny hoe “izao izany sisa no arendrina ankehitriny” raha nahita ireny nanjelatra eran’ny tanàna ny alin’ny 25 jona. mainka niampy ny anjomaran-dry zareo afrikanina tatsimo koa aza ireo fanetry efa teo.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT