Edito

Edito Fanoto sy laona


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Hatreto aloha izany i Madagasikara dia mbola firenena ao anatin’ilay antsoina hoe tsy tafavoaka.

 

 

Amin’ny lafiny rehetra io na politika na toekarena na diplaomasia, indrindra moa fa ny sosialy. Azo lazaina ho porofon’izany ireo fanapahan-kevitra mandroso mihemotra isan-karazany na any amin’ny rafitra faratampony toy ny minisitera na amin’ireo rafitra heverina ho ifotony toy ny kaominina. Mahazo mivarotra tampoka indray, hono, mantsy fa mila maka sisiny tsara fotsiny. Tsy izay fanapahan-kevitra mandroso mihemotra izay ihany koa anefa no olana fa mazava be tokoa izany izao fa tsy hahafaha-mihetsika ny gejan’ny rafitra izay voafaritry ny lalam-panorenana eto amin’ny firenena. Lalàna natao ho an’ny tombontsoan’izay mitondra fa tsy ho an’ny fampandrosoam-pirenena. Tsy ivalamparana ny porofo mikasika an’izay fa inoana fa samy resy lahatra amin’izany ny rehetra rehefa mahita depiote miverina amin’ny toerany rehefa avy nalana tany an-toeran-kafa, ohatra. Eo koa ny fetran’ny fahalalahan’ny fahefana mpanatanteraka hanendry izay tena hitany ho afaka hiara-kiasa aminy. Anjorom-bala ny fiainam-bahoaka satria toy ny fanoto sy laona manoto vary ny ataon’ireo mpanao politika miady seza amin’ireo vahoaka. Ny madinika hatrany voatoto satria hiharan’ny tsy fahaiza-mitantana rehetra. Mizaka ity famoronan-ketra rehetra ity sy ny fidangan’ny vidim-piainana. Rafitra efa nolovaina tamin’ny fanjanahantany koa angamba izy ity sa efa miha mipetraka eto amin’izao tontolo izao mihitsy ilay antsoina hoe “loi du plus fort”? izay ilay nolazaina teo hoe ny lafim-piainana rehetra mihitsy, indrindra moa, ho antsika afrikanina, izay an-dalam-pandrosoana ny ankamaroan’ireo fireneny. Iny izao ny mpilalao kitra iraisam-pirenena Malagasy iray dia miverina manana olana indray amin’ny kliobany fahiny teto Madagasikara sy ny klioba nandray azy niala teto. Olan’ireo klioba dia any amin’ilay mpilalao no miantraika. Eo amin’izay taranja izay hatrany. Satria ve mitady handroso ny baolina kitra afrikanina dia atao mihitsy izay fomba rehetra hiverenany hihemotra lavitra indray amin’ny alalan’ity fikasana hanao CAN isaky ny 4 taona ity ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT