Edito

Edito Entin’ny tsy fahalalana !


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Tsy misy izany krizin’angovo sy hanoanana ary tontolo iainana izany fa ny krizin’ny tsy fahalalana no tena manjaka eto amin’izao tontolo izao, hoy manampahaizana iray.

 

Rehefa dinihina, tsy amin’ireo lafin-javatrab ireo ihany no mitombina io fa amin’ny fiainam-pirenentsika iray manontolo mihitsy. Tsy mahagaga raha hatramin’izao dia mbola maro hatrany ireo miantso ny vahoaka Malagasy ho valalabemandry. Vahoaka ihany koa, hoy ilay mpamakafaka iray izay, satria mbola misy “vahoa” tsy afaka aminy mandrak’androany. Io izao teo aloha teo niteraka adihevitra ny fahalanian’ny filohan’ny antenimieram-pirenena tamin’ny salan’isa 100% dia samy avo vava daholo izay nanana fahafahana hanao izany. Tetsy an-kilany anefa, sarona ilay teny volamena atao hoe IEM. Ankehitriny, lasa ny PGE izay tsy fantatra ny ilazana azy na praograma na politika ankapoben’ny fanjakana fa sarotra koa ny tsy hino fa tsy holalaovina maharitraritra ireo fiantso roa ireo ato ho ato. Dia samy ho rendrika eo indray isika mianakavy. Miteraka adihevitra amin’izao fotoana koa ny fahalanian’ny satan’ny fanoherana ary misy vondrona parlemantera manda azy. Mahalala ny antony ve isika sa entin’ny tsy fahalalana hatrany ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT