Edito

EDITO Efa tena mifamono…


  • Zoma 16 Oktobra 2020

Lavitra ny kitay ny afo amin’ny hisian’ny fampihavanana, fa mifamono sy mifamotika ny mpanao politika. Mifanagadra, ka ifandimbiasana ny fidirana any Antanimora na Tsiafahy, raha izao fizotry ny tantara izao.

 

 

 

 Mifampiandry an-kendritohana, ka ny aza mba tratra ihany. Tsy misy arofanina ara-politika intsony eto, fa ny sary hita sy miharihary dia ny hoe: manao ny ataony izao eo amin’ny fitondrana: managadra, mamoritra, manao afera, mangoron-karena,… Tsy hoe manenjika ary mandeha am-pahamarinana fa manao ny ataony ihany koa. Tsy miraharaha izay mety ho fitsimbadihan-drasa any aoriana, ny anio aloha no fantatray,… Tsy dia misy eto amintsika intsony ny foto-pisainana hoe: ny ratsy atao loza miantona, fa soa atao levenam-vola. Mamely izay voany aloha ny eo amin’ny fahefana, mandrapaka izay azony arapaka, mamoritra izay azo foretina,… Ny resaka fisaraham-pahefana tsy misy intsony, fa dia tena ampiasaina amin’ny tombotsoa politika. Taiza no mbola nisy hoe ny didim-pitsarana tsy mbola mivoaka, kanefa ny filoha andrim-panjakana mpitsara iray, dia efa nilaza fa tsy  hisy fiantraikany amin’ny zava-kinasan’ny ankilany ny fitorian’ny andaniny ? Zary lasa adihevitra io amin’izao fotoana izao, ary misy ny mandika azy ho toy ny hoe: mbola tsy mivoaka ny didim-pitsarana, ary ilay mpitsara mandray an-tànana ny raharaha no miteny amin’ny mpitory hoe tsy hisy fiatraikany amin’io olona torianao io ny fitoriana. Efa fandrosoana kitay sy fandraharana solika amin’ny afo efa mirehitra ireny. Ny sary aseho ankehitriny, mba hamiliana ny sain’ny maro dia ny hoe miasa, mitsinjo vahoaka,…  Ny mihoby ny mpanao politika amin'ny fampiasana ny volam-panjakana anefa dia toy ny mitehaka amin'ireny milina harifomba amin'ny banky rehefa izy mamoaka vola amin’ny fotoana  hakanao ny karamanao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT