Edito

Edito Diso ady sy fahavalo


  • Zoma 07 Jona 2019

Raha resaka politika dia mbola ny hoe “tsy misy TIM maharesy TGV na IRD” na koa hoe “Andry Rajoelina tsy nahavita ny vitan’i Dada izany”.

 

 

 Izay hatrany amin’ny ankapobeny no mbola adihevitry ny mpanara-baovao politika eto amin’ny firenena rehefa maneho hevitra na any anaty haino aman-jery io na eny an-dalambe na anaty tambajotran-tserasera. Efa ela ihany koa no nahenoana ny hoe “sinoa sy karana no tena mameno tanàna” na koa hoe “ireo frantsay ireo”. Toy izany koa ny hoe “raha mbola ny fianakaviambe iraisampirenena foana” saingy ny zava-misy aloha hatreto dia miteraka ady mangatsiaka eo amin’ny samy Malagasy avokoa ireny rehetra ireny fa raha ny vokany mipaka amin’ny fampandrosoam-pirenena dia lavitry ny afo ny kitay. Mahamenatra ny maheno ny fandokafan’ny olompirenena sasany ny filoham-pirenena ankehitriny izay nitonantonana, araka ilay fomba filazan’ny mpanao politika azy tany Frantsa nangataka fiaraha-mitantana ny nosy manodidina antsika. Ny firenena mikambana aza anefa efa nilaza fa antsika madiodio ireo nosy ireo ary ny vahoaka Frantsay indray ankehitriny no sahy midingin-drambo hanohitra ny fiaraha-mitantana fa isika manao tompony mangataka atiny ary mandoka izay mitarika antsika ho amin’izany. Rahoviana ary isika mianakavy no hahatsapa fa diso ady sy fahavalo hatrany ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT