Edito

Dingan-dava makany an-kady…


  • Alarobia 17 Jolay 2024

Tsy maniry loza fa mbola mahakely finoana ny hahatafavoahan’ny firenena

ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny olana fahantrana. Mena ny ankamaroan’ny tondro rehetra, ary mampanongo tena hoe : i Madagasikara mivarina any aorian’ireo firenena fadiranovana sy miady an-trano mandavan-taona, toa an’i Souda Atsimo, Somalie,… Raha miteny sy mitsikera ary mampahatsiahyb an’ireny, dia raisina ho misakana fampandrosoana sy fahavalom-pirenena. Dia mbola mila averina sy tsiahivina hatrany ve fa tsy misy manakana ary tsy misy mahasakana ny mpitondra amin’izay fanapahan-kevitra sy fampandrosoana tiany hatao eto ? Azy avokoa ny maro an’isa 90% amin’ireo rafitra sy andrim-panjakana samihafa ka aiza izany ny lesoka ? Mbola mitombina ve ny fanilihana sy filazana ny hafa ho misakana fampandrosoana izay nodradradradraina tany amin’ny propgandy fa mila olona mahay miara-miasa aminy ny Filoham-pirenena ? Tsy vao izao no nanana an’izany, saingy ny vokatra aloha tsy mitsaha-mitotongana. Midika izany fa ny fahaiza-mitantana sy fahaiza-manao mihitsy no tsy misy. Mihapotika ny sehatra maro noho ny tsy fahaiza-mijery ny laharampahamena sy ny fahaizana mamaritra ny tena antsoina hoe : « fampandrosoana », hany ka lasa miaina anaty haingo ambony tsikoko hatrany ny Malagasy. Ny harin-karena isam-batan’olona, ny fananan’asa, ny famokarana, ny toekarena avy amin’ny fihariana vaventy na «macroéconomie » sy madinika na « microéconomie », ny fampiasam-bola vahiny mivantana,… dia tsy mba hananan’i Madagasikara teboka miabo. Ny tetikasa lazaina fa fampandrosoana dia betsaka no toa vao mainka miteraka olana kanefa misy ny hitrosana an-jatony miliara Ariary maro. Tsy tetikasa mamorona harena no mahamaika eto fa lasa sehoseho ivelany sy trosa manandevo. Ny Fanjakana efa tsy mahavita azy, kanefa ny sehatra tsy miankina ihany koa miha sempotra, tsy mba afaka mivelatra noho ny antony maro : olana ara-angovo, fitakian-ketra mihoampampana, tsy fandriampahalemana, fahapotehan’ny làlana,… Dia mampanongo tena hatrany ny zava-misy hoe : tena mbola ao anatin’ilay « Madagasikara tsy maintsy mandroso isika » sa dingan-dava makany an-kady ilay fiventesana fa hafainganina ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary tsy afaka hiandry izay tsy afaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT