Edito

Edito Demokrasian’ny fanagiazana


  • Zoma 17 Janoary 2020

Tsaroana ny fanakianan’ny mpanohitra azy ilay filoham-pirenena iray ho mpanao ampihimamba.

 Satria, hono, nogiazany sy ny orinasany samirery daholo tamin’izany ny tombontsoa rehetra tokony hositrahan’ireo orinasa tsy miankina hafa rehetra ankoatra ny azy na madinika io na salantsalany na vaventy. Hatramin’ny tontolon’ny haino aman-jery tamin’izany dia nanasoketana ity filoha teo aloha ity avokoa fa tiany ho ny firehan-keviny samirery no hibahana eto amin’ny firenena. Niezaka nandiso ny fiheverana ilay olona nosoketaina ary dia navelany nataon’ireo mpanasoketa hatramin’ny nanongana azy teo amin’ny fitondrana. Nandalo indray ilay vao nahavita 5 taona farany teo ary mbola nohenjehina ho mpanampim-bava sy tsy mamela malalaka ny fahalalahana hiteny ihany koa. Rehefa niha mafy ary niteraka ra mandriaka sy nahatonga herisetra anefa avy eo ny hetsik’ireo mpanenjika azy rehetra dia navelany nalalaka ny kianjan’ny 13 mey hitakian’izay tsy faly aminy rehetra ny fialany. Vitany ny 5 taona ary dia navelany malalaka tokoa ilay nolalalain’ireo nanasoketa azy ho demokraty. Toa ririnin-dasa tsy tsaroana nanomboka ny janoary 2019 ny nanakatonan’ity filoham-pirenena vaovao ity ny kianjan’ny demokrasia tamin’ny fotoan’androny sy ny efa fanenjehana mpanao gazety sy mpanao politika maro tamin’izany, fony izy mbola filohan’ny tetezamita. Niverina nahazo fitondrana izy amin’izao ary dia io iaraha-mahita io ny ataon’ireo ekipany sasany, indrindra ny demokrasia. Tsy hiverenana intsony ny fitarainana nataon’ireo mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana niantefa tamin’ny holafitra. Vao mainka demokrasian’ny fanagiazana ve no hiainana eto amin’izao andron’ny fahazavana izao ?

J. Mirija

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT