Edito

Edito Demokrasia inona ?


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Firenena fatra-pandala sy mpanaja ny demokrasia, hono, i Madagasikara. Saika noventesin’ny fitondrana matetika izay tao ho ao.

Dia mipetraka ny fanontaniana hoe demokrasia inona moa izany ilay karazany misy eto ? Demokrasian’ny manjaka tokana ve ? Toa tsy misy ankoatra ny fanindraindrana antoko tokana sisa no re matetika ary izao sahady dia efa hankalazaina fa ny efa eo ihany no mbola mahavita azy ho amin’ny sisa rehetra. Fandresen’ny demokrasia, hono, no nisy tamin’ny taona 2013 kanefa dia niaraha-nahita izao fa latsaky ny 50% ny taham-pandraisan’anjaran’ireo mpifidy. Mbola niteraka adihevitra be sy fitokonana ihany koa amin’io ny valim-pifidianana ary an’arivony ireo fitoriana napetraka tany amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Hatramin’izao dia mbola misy vaovao tsy azo atao hatrany ny manome azy, indrindra eny anivon’ireo rafi-panjakana tena azo heverina hoe andrin’ny firenena. Ny andininy faha-11 ao amin’ny lalàmpanorenana dia milaza mazava tsara fa manan-jo hahazo vaovao an-kalalahana manda ny sivana rehetra ny olom-pirenena tsirairay. Manamafy izany rahateo ny andininy faha-19 ao amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona. Vao omaly no nahoraka teo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny “roaka alika” nahazo ny ankamaroan’izy ireo tetsy amina hotely lehibe iray eto Antananarivo raha hitrandraka vaovao. “Demokrasia inona ary itony ?”, hoy ilay mpanabe iray izay.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT