Edito

Edito Bokotra diso fanidy


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Tafiditra ao anatina teny fampanantenana nataona filoham-pirenena anisan’ny niezinezina indrindra teto ambonin’ny tany ny veliranon’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny hoe « Ny asa tsy vita tao anatin’ny 58 taona dia hovitaintsika ao anatin’ny 5 taona. ».

 

 Teny faran’izay manan-danja iny ary tsy ho afa-bela fa ho adinin’ny tantara amin’iny fanambarany iny ny filoham-pirenena raha sanatria mitsefotra tsy araka izay fampanantenana mipoapoaka nataony no tombana ho azo afaka 4 taona sy 3 volana. Nokianina fatratra teo aloha teo ny hoe anjaran’ny tanora izao fa efa tsy namokatra ny dinozaoro politika. Iaraha-mahita anefa ankehitriny ny vokatra nentin’ny 9 volan’ny tanora. Tsy inona akory izany fa tetikasa tsy mety tafainga. Efa noresahana teo ihany moa ny resaka 58 taona ary tsaroana etoana ny fanazavan’ny filoham-pirenena voalohany teto amin’ny firenena tamin’ny 58 taona lasa. Toy ny fanidiana bokotra lobaka, hoy izy izay, ny mitondra firenena ka rehefa diso ny eny an-tampony dia diso hatramin’ny farany io. Hita ho mihatra amin’ny fitondrana ankehitriny izany resaka bokotra diso fanidy izany ary tsy mahagaga raha tsy mety tafavoaka amin’ny fahasahiranana isika vahoaka. Sarotra tokoa ve ny nanazava dieny tany am-boalohany tamin’ny vahoaka ny tena zava-misy marina sy ny fahafahan’izao fitondrana izao eo am-pelatanany ? Marina fa fahendrena malagasy ny hoe manao tifi-danitra mba hahavoa tendrombohitra saingy mila tsaroana kosa anefa fa tsy afaky ny ho avotry ny mazia mazia na oviana ny firenena izay misy fahataram-pandrosoana 58 taona, araka ny voalaza.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT