Edito

Edito Aza odiana fanina !


  • Talata 02 Jolay 2019

Ekena fa malaza sy mampifaly vahoaka hatramin’izao ny baolina kitra. Saika mifantoka any avokoa ny sain’ny maro, hany ka hadinodino fa fotoana tokony hihainoana indray ny zava-misy eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eny anio.

 

Iza avy indray no ho tratry ny « azo raisina fa tsy mitombina » eny ? Tena hitsara am-pahamarinana ny fifidianana solombavambahoaka nitranga farany teo ve ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sa sanatrian’izany hanaiky hovidiam-bola ka hamadika izany ho amin’ny tombontsoan’ireo mamba seza ? Fotoana iray manandratra ny firenena tokoa ity fetin’ny baolina kitra afrikanina mampamiratra ny ekipam-pirenena Malagasy ity saingy tsy azo lavina fa fotoana iray heverina ho tena mety ho an’ireo tsy mataho-tody politika koa izany mba handrebirebena ny saim-bahoaka tsy hifantoka mihitsy amin’ny raharaham-pirenena hafa tena mahakasika azy toy ny valim-pifidianana solombavambahoaka. Samy miantefa amin’ny rehetra araka izany, ny hafatra na mpitondra na entina, hoe aza odiana fanina fa na mahafaly aza ny Barea nitondra fandresena dia mila mailo koa amin’ny raharaham-pirenena.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT