Edito

Edito Aza hadalaina ny saim-bahoaka !


  • Sabotsy 14 Aogositra 2010


Na dia efa manomboka hita soritra aza ny vahaolana politika hivoahana amin’ny krizy dia mbola misy amin’ireo mpanohana mitampi-maso ary tsy mahalala filoha afa tsy Rajoelina no sahy milaza fa tsy ilaina ny fanaovana na dia kely aza ny endriky ny fitondrana tetezamita misy amin’izao fotoana. Ankoatra izay dia ambaran’ireto vondron’olona, mety matahotra ny ho very seza ireto fa tsy ilaina, hono, ny hampidirana ireo mpanao politika nivorivory tetsy sy teroa, ao anatin’ny fitondrana tetezamita, fa dia avela hanohy ny asany tahaka ny andavanandro ny governemanta Vital sy ny mpikambana ao amin’ny FAT. Satria, hono, nitondra ny hetahetam-panovan’ny malagasy 20 tapitrisa i Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, ka tsy tokony hokitikitihana amin’ny toerany. Ka lasa ihany ny fisainana eto hoe : fa malagasy 20 tapitrisa iza, ity resahana ity ? Dia tsy olona ve izany fa sanatria biby, ireo mpanara-dia ny ankolafy telo sy ireo vahoaka maro be mahita ny tsy mety ataon’ny FAT sy ireo olom-boatendry manao fanamparam-pahefana any amin’ny faritra ?

Tsy efa mibaribary ve izao fa tsy ny maro an’isa no nanaraka sy nanohana an’i Andry Rajoelina matoa mbola manaiky mifampiraharaha amin’ny antoko politika hafa izy, fa tsy nanohy nitantana samirery ny tetezamita. Ary na dia miavonavona amin’ny sehatra iraisam-pirenena aza ny FAT dia miasa mangina sy mila ranondranony any ambadimbadika any mba hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Tsy aritra fa tsy maintsy nambara izany rehetra izany satria maro loatra ireo miseho azy ho manampahaizana amin’ny familiviliana ny saim-bahoaka, vahoaka izay teny ampiasaina hitadiavan-tseza fotsiny, matetika. Koa anjaran’ny tsirairay avy no mandinika hoe : inona marina no mahasoa ny Malagasy ? Ny hevitr’ankolafy tokana, tsy mahalala afa-tsy ny anio, sy ny tombontsoany manokana ve sa ny hevitry ny maro mahataka-davitra ka tena hamaha indray mandeha ny fototry ny krizy nahazo faka teto hatrizay ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT